Auteur/autrice : Adnews

Ady tany niafara tamin’ny vono olona : lehilahy iray maty voatifitra, iray hafa azo velona

Disadisam-pianakaviana tonga hatramin’ny ra nandriaka. Nifamaly ireto mpihavana ka novonoin’ny dadatoany sy ny namany ny havany nifan­ditra taminy noho ny resaka ady tany. Maty voatifitry ny polisy miasa ao Sakaraha, omaly, ny lehilahy voarohirohy tamin’ilay vono olona tao an-toerana ny alin’ny alahady teo. Voasambotra tao Anda­boly-Toliara, afakomaly, kosa ny namany […]

Fakana an-keriny : zaza nilalao nangatahana takalo 10 tapitrisa Ar

Nanao hetsika manoloana ny kaomisarian’ny 67 ha omaly ny terak’Imady, omaly, nitaky ny hanaovana famotorana lalina momba ilay ankizilahikely hita faty teny Tanjombato tamin’ny alahady. Nilaza ho vonona hiara-hiasa amin’ny polisy ireo fianakaviany. Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha nahafaty ilay zazalahikely 10 taona, hita faty teny Ankeniheny Tanjombato […]