“Aleo mba jerena ihany ny tombontsoam-bahoaka. Ny fomba fiasan’ny fitondrana no tokony hiova hatramin’ izay. Ny fijerena izay laharam-pahamehana no tokony hatao ho an’ny vahoaka, fampihenana ny vidim-piainana”, hoy ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa. Mitovy ihany na ovana na tsia ny governemanta. Tsy hamaha ny fahasahiranam-bahoaka io. Ny fanovana azy […]
Auteur/autrice : Adnews
Fepetra mialoha ny fampielezan-kevitra: tsy handefitra amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny Ceni
“Azo atao ny mamory olona, fa ny fitandroana fandriampahalemana no fepetra fototra iombonan’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Andraikitra tokony hifampiresahana mandrakariva ny amin’izay famoriana olona izay. Satria indraindray misy fanakantsakanana”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Tsy manana fahefana ny Ceni amin’izay andraikiny amin’ny hoe famorian’ny […]
Banky iraisam-pirenena : “Miitatra ny fahantrana”
Noraisin’ny solontenan’ny birao maharitra sy ny solombavambahoaka teny Tsimbazaza, omaly, ireo delegasiona avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, afakomaly. Voaresaka tamin’izany ny tatitra momba ny zava-misy eto amintsika. “Tena miaina anaty fahantrana ny maro ary hita fa miitatra any amin’ny renivohitra izany fahantrana izany”, hoy ireo vahiny. Notakin’ireto iraka ireto ny hanatsarana […]
Fanahiana korontana : noraisin’ny FFKM ny vovonana “Lera”
Anisan’ny nihaona tamin’ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM ny vovonana “Lera”. Tafiditra amin’ny dingana, mialoha ny fifidianana izany, hoy ny depiote Razara Pierre na i “Del kely”. Notaterin’ny solombavambahoaka Razara Pierre tao amin’ny fandaharana Miara-manonja (MM), ny herinandro teo fa ilaina ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra ary mangaraharaha. “Aleo misoroka […]
CUA – Pavillon Analakely: tokony hanaja lamina ny mpivarotra
“Eo ambany fiadidian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny tsena rehetra misy eto an-toerana”, hoy ny mpanolotsain’ny kaominina, Ravololomanana Lalatiana, omaly. “Tokony hanaraka ny lamina apetraky ny Kaominina ireo nahazo alalana hivarotra rehetra”, hoy hatrany izy. Fantatra fa tsy mitovy hevitra ny mpivarotra vitsivitsy ao amin’ny tsenan’ny Pavillon Analakely amin’izao fotoana izao. […]




