Auteur/autrice : Adnews

Depiote R. Feno : “Ilaina ny mahazaka tsikera”

Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny solombavambahoaka Tim, Ralambomanana Feno, voa­fidy tetsy amin’ny boriborintany III. “Mila mahazaka tsikera sy mandray lesona amin’ny zavatra tsy mety ataony ny mpitondra fanjakana amin’ izao fotoana izao. Aoka tsy mandany andro sy variana manohitra ny mpanohitra fa lasa mivarina an-kady ny firenena”, hoy […]

Savorovoron’ny mpanakanto: tafiditry ny mpanararaotra, jiolahy tratra nanendaka

Nisehoana savorovoro teo amin’ny samy mpanakanto teny Mahamasina, omaly. Nandritra ny fivoriam-be, nikasa hiditra tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, ny mpihira Rossy sy ny mpitsoka mozika. Tsy tafiditra anefa izy ireo. Nosakanan’ny mpanakanto namany, noho ny filanjana sora-baventy maneho ny tsy fankasitrahana ny minisitry ny Serasera sy ny […]

Tsy misy varany !

Mbola manjombona ny andro, maizina ny lanitra. Mihamiakatra ny renirano. Ho an’Antananarivo, tsy hifampitsinjova-mandeha ny lalana amin’ny hatevin’ny rotsak’orana. Manahirana ny fivezivezena amin’ny sakeli-tanàna maro noho ny ranobe, manarona ireo lavaka eto ampovoan-tanàna. Betsaka ny fiara mihitsoka na maty am-pandehanana. Voafandrika anaty ranom-potaka na dibo-drano hatrany anaty maotera. Mikaikaika ny […]

Nitsindrona “héroïne”: jeneraly polisy voasambotra

Voasambotra tamina hotely eny amin’ny By-Pass, ny kaomisera divizionera iray. Tratra am-bodiomby, nitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika izy. Tratra teo am-pitsindronana zava-mahadomelina mahery vaika ny kaomisera divizionera iray eo anivon’ny polisim-pirenena. Nosamborina tao amina hotely eny amin’ny lalan’ny By-Pass izy, ny alatsinainy alina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany. “Mbola […]

Brieville : ankizilahikely nihotsahan’ny trano

Zava-doza no niseho tao amin’ny fokontany sy kaominina Brieville, Ambanitsena, distrika Tsaratanàna, omaly. Ankizilahikely valo taona no maty nihotsahan’ny trano to­ko­ny ho tamin’ny 01 ora ma­raina teo. Niseho tao anatin’ ny torimaso ny loza. Tamin’io fotoana io, nitsahatra ny orana ary samy raiki-tory izy telo mianaka tompon-trano. Ilay ankizilahikely natory […]