Auteur/autrice : Adnews

Covid-19: misy fanaovam- baksiny eny amin’ny perception principale

Niantomboka tamin’ity vo­lana janoary ity ny fanaovam-baksiny Covid-19 eny amin’ny perception principal telo eto Antananarivo. An­isan’izany ny eny Ambo­di­tsiry, Mahazoarivo ary Ma­ha­masina. Tanjona ny fanamorana ny fanaovam-baksiny ireo zokiolona tonga maka fisotroan-dronono amin’ireny to­e­rana ireny. Tsy voatery manatona CSB intsony fa efa manakaiky azy ireo ny fanaovam-baksiny mba tsy hisian’ny […]

Noho ny toetr’andro : mihena ny mpitsidika ny Musée de la photo

Iray amin’ireo toerana manana ny lanjany eo amin’ ny firaiketana ny tantaram-pirenena ny Musée de la photo, eny Anjohy. Nahitana fihenany anefa ny isan’ny mpitsidika eny an-toerana, noho ny faharatsian’ny toetr’andro. Nanomboka tany amin’ny fiandohan’ny taona 2023, nahatratra 75 isan’andro ny mitsidika ireo tahirin-tsary mirakitra tantara eny an-toerana. Vao nanomboka […]

IFM Analakely : hiavaka ny hetsika “Taom-baovao”

Notanterahina teny amin’ ny Institut Français de Ma­dagascar na IFM Analakely, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny talata 25 janoary 2023, niresahana ma­ha­kasika ny hetsika “Taom-baovao”. Hetsika hifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao sy hifampirarina ny soa sy ny tsara ho an’ny fianakaviamben’ny IFM. Eo ihany koa ny hanaovana tatitry […]

Filankevi-pitantanan’ny Omda: nafana ny fanehoan-kevitra, saingy tontosa ny fifidianana

Ny isavorovoroan-kilantoana tokoa… Nanomboka tamin’ny disadisa sy ny fifanoheran-kevitra ny fivoriamben’ireo mpikambana tao amin’ny Omda. Niafara tamin’ny fifidianana izay neken’ny rehetra ihany anefa izany. Voafidy ireo hisolo tena ny mpikambana eo anivon’ny Filankevi-pitantanan’ny Omda. Fito ireo nilatsaka teo amin’ny sokajy mozika, ka lany tamin’izany i Jaojoby, Zoky Vonjy, Tonton Pà […]