Aiza izay fanovana ny mpikambana amin’ny governemanta ? Inona indray aza ity ataon-dRatsirahonana ity? Ahoana koa itony fiaingana masiakan’ingahy Siteny itony ? Santionan’ny fanontaniana mipetrapetraka eny rehetra eny izany. Indrindra fa amin’ny mpanara-baovao politika. Fanina sy sanganehana ny rehetra manoloana ny fivoaran’ny raharaham-pirenena. Toa mandroso mihemotra, tsy hita be ihany ny andraisana azy. […]
Auteur/autrice : Adnews
Ambasadaoro Arnaud Guillois: “Tsy mitsabaka amin’ny fifidianana eto i Frantsa”
Nitondra fanazavana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara ny ambasadaoro Frantsay, Arnaud Guillois, omaly, teny Ivandry. Voaresaka ny lafiny politika sy ny Nosy manodidina ary koa ny toekarena. “Tsy mitsabaka amin’ny raharaha anatiny amin’ny fifidianana hatao amin’ity taona ity i Frantsa. Miandrandra izany ho demokratika […]
Etrotroka-Farafangana: trano 62 hotohoton’ny afo
May tsy nisy noraisina ireo trano 62 tafo tao amin’ny fokontany Etrotroka, distrikan’i Farafangana, ny alin’ny alakamisy 19 janoary teo. Tokantrano iray an’ny ramatoa tokan-tena no nipoiran’ny afo. Niitatra izany ka nandoro ireo trano sasany niaraka tamin’ny biraom-pokontany. Vokany, tokantrano 47 misy olona 237 traboina. Nifarimbona namono ny afo ny […]
Ambilanibe : jiolahy tratra nanosika moto halatra
Tratra teo am-panosehana moto halatra teny Ambilanibe ny jiolahy iray. Ny polisy avy ao amin’ny compagnie urbaine d’intervention, Tsaralalana no nahasambotra azy ny asabotsy teo. Tsikaritr’ireo olona miasa manoloana ny tobin-tsolika iray eo Ambilanibe ny fihetsika hafahafa sy kaodikaody nataon’ilay jiolahy teo am-panosehana moto. Tsy vitan’izay fa mitoditodika sady mijery […]
Tsikaritry ny mpaka kitay: fasana iray vaky, taolan-paty 24 tsy hita
Norobain’ny olon-dratsy ny taolam-paty tao amina fasana iray anatin’ny tanànan’i Vohidava, anatin’ny fokontanin’i Fenoarivo, kaominina Ambatomainty, distrikan’Ikalamavony ny sabotsy 21 janoary teo. Mpaka kitay sendra nandalo no nahatsikaritra ny fasana efa nisokatra. Natahotra, niantso ny manodidina sy ny lehiben’ny fokontany izy. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny […]




