Auteur/autrice : Adnews

PDCM – Rapetera Désiré : “Ilaina apetraka ny fahamarinana”

Tsy handroso isika raha tsy eo ny fihavanana sy ny fahamarinana, araka ny fehin-kevitry ny antoko Politika demokraty kristianina (PDCM). “Entanina ny vahoaka hanaja ny fitsipika sy ny Lalàmpano­renana”, hoy ny filohany, Rapetera Désiré teny An­tsahalovana, ny asabotsy teo. “Mba hisorohana ny korontana, ndao hihavana sy hifampiresaka alohan’ny fifidianana”, hoy […]

Rajaonarimampianina Hery : “Mila fifidianana mangarahara sy tsy mitanila ny vahoaka”

“Mila fifidianana mangarahara sy tsy mitanila ary eken’ny rehetra ny vahoaka malagasy mba hialana amin’ny hala-bato sy ny hosoka. Satria aoka hazava fa raha vao fifidianana tsy madio no misy eo amin’ny firenena, korontana no hisy aorian’izay”. Izay no anisan’ny kabarin’ny filoha teo aloha, filoha mpanorina ny antoko HVM, Rajao­na­rimampianina […]

Tatitry ny Ceni: 65% ny mpifidy voasoratra anarana

“Ny antontanisa farany azo avy any amin’ny rantsamangaikan’ny Ceni eny anivon’ny distrika: ny mpifidy voasoratra anarana hatramin’izao 8 894 578 na 65,91%”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andria­ma­rotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Amin’izao herinandro farany izao, manao ezaka manokana amin’ny fampiakarana ny vokatry ny fanisana mpifidy avy eny amin’ ny rantsa-mangaikan’ny […]

Filoha nasionalin’ny MMM, A. Hajo: “Omena fahefana hampiasa vola ny eny ifotony”

Nohamafisin’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo tany Atsimo Atsinanana sy Vatovavy, ny herinandro teo ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Fanalahidy ho an’ny fanovana izany, araka ny nambarany. Nanteriny fa miteraka fampandrosoana maharitra ny fametrahana ny fitsinjaram-pa­hefana tena izy. Mila politika sahisahy ny fitantanana ny firenena ary ilaina […]

Olana teknika : fiaramanidina nianjera, maty ny mpanamory

Nitrangana lozam-piaramanadina namoizana ain’olona tao Mangalahala fokontany Andilanatoby distrikan’ Am­ba­tondrazaka, omaly maraina. Tra-doza tamin’ny fiaramanidina kely an’ny Kaompania Aeromarine, 5RAAR-PA28, ny lehilahy iray vao erotrerony fantatra amin’ny anarana i Landry Razanajafy, 25 taona nikasa ho any Mananara. Niainga teto Antananarivo, nizotra soamantsara ny diany ka mbola tonga teny an’habakabaka Ambatondrazaka […]