Auteur/autrice : Adnews

Fanarenan-dalana: tsy voatery hisy antso tolo-bidy

Noresahana nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny lalana. Na­hatsapa ny fanjakana fa nihazakazakabe ny fahasimban’ny lalam-pirenena nateraky ny vesatry ny fiara mifamezivezy aminy. Lasa niakatrabe tsy mifanaraka amin’ny lanja feran’ny lalàna manan- kery. Fa misy koa ny antony hafa manafaingana ny fahasimbana, toy ny tsy faham­pian’ny fikojakojana […]

COI : manentana ny olona ho fiarovana ny harena voajanahary

Mahazo vahana aty amin’ny faritra ranomasimbe In­dianina ny fanondranana antsokosoko ireo karazana bibidia sy zava-maniry arovana. Tsy mahakasika ny tontolo iainana ihany ny fiantraikan’ izany, fa eo amin’ny lafiny fahasalamana sy ny toekarena ihany koa. Tombanana 7 ha­tramin’ny 23 miliara dolara isan-taona ny fanondranana antsokosoko atao amin’ireo, ary betsaka ny […]

Ambositra : tombontsoa ho an’ny mponina ny fiompiana tantely

Naterin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana (MICC), Razafindravahy Ed­gard, tany Ambositra omaly, ny fitaovana fanodinana tantely ho an’Ambositra, faritra Amoron’Imania. Napetraka tany an-toerana moa ny Vovo­nana Platmiam* iarahan’ny tantsaha, ny kaoperativa ary ny mpandraharaha mpamokatra tantely iray volana mahery izay. Anisan’ny tompon’antoka amin’ny fampihodinana ny […]

Tohana FAPBM : faritra arovana 64 hahazo famatsiam-bola

Miampy 15 ny Faritra arovana (AP) hisitraka ny famatsiam-bola avy amin’ny Fikambanana misahana ny faritra arovana sy ny zava-mananaina eto Madagasikara (FAPBM) amin’ity taona 2023 ity. Nampitomboana ny isany sy ny famatsiam-bola satria mihazakazaka ny fahasimban’ny ala. Miisa 64 ny Rafitra faritra arovana (SAPM) amin’ny 123 eto Ma­dagasikara no hahazo […]

IHF Trophy U20: resy indray ny Akio

Faharesena indray no azon’ ny Akio de Madagasikara, ta­min’ny andro faran’ny fifaninanana “IHF Trophy continental U20” Afrika, taranja handball. Lavon’i Guinée, ta­min’ny isa 51 no ho 32 ny Akio lehilahy, tany Congo, omaly. Fandre­sena tokana ihany izany no azon’ny ekipam-pirenena malagasy, tao anatin’ny lalao dimy izay nataony. Raha hiverenana ny […]