Auteur/autrice : Adnews

Ambohidratrimo : zazavavikely fito taona natsingevan’ny rano

Tranga mampalahelo. Ankizivavikely iray sahabo ho eo amin’ny fito taona eo no hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony teo amoron’ny fefiloha ao amin’ny fokontany Ampefiloha, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohidratrimo. Omaly tokony ho tamin’ny 08 ora maraina, tsikaritr’ireo fokonolona teny amin’ny manodidina ilay ankizivavikely efa tsy nisy aina intsony. Na­voaka vonjimaika izy, nampandrenesina […]

Fizahatany : lafo ny fitaterana miditra eto Madagasikara

Tsy nahasarika mpizahatany firy i Madagasikara tamin’ny 2022, roa taona taorian’ny fikatonan’ny si­sintany. 106 000 mpizahatany ihany no niditra teo Ma­da­gasikara ny janoary hatramin’ny novambra 2022, ara­ka ny tarehimarika navoakan’ny minisitera misahana ny Fizahantany. Nihena telo latsaka izany raha jerena ny antontanisa talohan’ny Covid-19, tamin’ny 2019. Na eo aza ireo […]

Fiaraha-miasa amin’Ambatovy : hanangana ozinina hanafangaro zezi-bazaha

Misy ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa Ambatovy, hanomezany ny akora solfata almonioma, hatao zezika. Akora azo avy amin’ny famokarana nikela sy kobalta ny solfata almonioma, ka azo havadika ho zezika rehefa afangaro amin’ny NPK na ny DAP. Natsangana ny Tetikasa fitsinjarana ny solfata al­monioma hanohanana ny fahavitantena ara-tsakafo (PDSA) hanatanterahana iza­ny. […]

CCI Toamasina : tsy vita ny fifidianan’ny birao

Niteraka savorovoro ny fifidianana ny ho filohan’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny indostria (CCI) faritra Atsinanana, ny alakamisy 12 janoary teo, teto Toamasina. Tsy tontosa hatramin’ny farany izany, satria nisy ny tsy fitovian-kevitra teo anivon’ireo mpikambana tokony hanatanteraka azy. Tsy nitovy ny hevitra teo amin’ ny vondron’ny mpandraharaha roa, ny GEP […]

Ady amin’ny fahantrana : fototry ny fampandrosoana ny famatsiana angovo

Tsy mety tafarina ny Jirama hatramin’izao na eo aza ny tetikasa Pagose. Tsiahivina fa vao nandalo teto Madagasikara ny filoha lefitry ny Banky iraisam-pirenena misahana ny Atsimon’i Afrika, Victoria Kwakwa, nijery ny olana momba ny angovo. Hatramin’ny 2016, amin’ny alalan’ny tetikasa Pagose*, 105 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ha­narenana […]