Nambara nandritra ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny kabary, notanterahin’ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma), omaly, tao amin’ny Le Pavé Antaninarenina fa hosokafana ny 18 febroary izao ny faha-60 taonan’ity fikambanana zokiny indrindra eo amin’ny sehatry ny kabary ity. Eo amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Analakely no handrehetana ny fanilo miampita izay […]
Auteur/autrice : Adnews
Famoahana boky : misongadina ny asa soratra “Trafika”
Tontosa ny asabotsy 14 janoary 2023, teny amin’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely ny fampahafantarana ny boky “Trafika”. Tantara mitohy an-tsary, voasokajy ho isan’ny nahita fahombiazana teto an-toerana hatrany ivelany. Maro no tonga nanatrika izany fampahafantarana izany sangan’ asa manana ny maha izy azy izany. Nisy ihany koa […]
Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina – FMTS: nomarihina ny Androm-pirenena ho an’ny kabary
Kolontsaina sady zavakanto anisan’ny nahitana fivelarana lehibe ny kabary malagasy. Iray amin’ireo manamarina izany ny nametrahana andro iray isan-taona ho an’ ity lahabolana am-bava ity. Notanterahina, omaly, teto Antananarivo ny hetsika ho fanamarihana ny tsingerintaona voalohany nampidirana ny kabary malagasy ho harem-bakoka tsy azo tsapain-tanana iraisan’ny zanak’olombelona. Fotoana (taona 2022) […]
Nampiahiahy… : Ankizy tsy ampy taona tratra nitazona basy
Tratran’ny polisy tao Ihosy Andrefantsena, afakomaly noho ny fihazonana basy vita gasy ireo roa lahy (tsy ampy taona ny iray). Toy ny fanaon’ny polisin’Ihosy, manatanteraka fisafoana mahazatra izy ireo ka tamin’izany no nahatsikaritra ireo olon-dratsy ireo. Teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy no nahasamborana azy ireo, raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Somary […]
Dahalo ampolony nanafika: maty voatifitra ny tompon’omby
Maty vokatry ny fanarahan-dia natao tamina dahalo mpangalatr’omby , ny olon-tsotra iray tao Ambodihady, fokontany Ambodiamontana, kaominina Ambovombe centre, distrika Manandriana, ny 14 janoary teo. Tamin’ny 11 ora alina, raikitra ny savorovoro teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona rehefa lasan’ireo olon-dratsy ny omby valo. Nitondra fitaovam-piadiana ireo dahalo maherin’ny folo. Vokany, […]




