Efatra hatreto ireo ivontoerana manokana natsangan’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara miombon’antoka ahafahana mandray an-tanana sy manara-maso ireo olona manana toe-tena diabetika nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’ny 2022. Any Sambava sy Antalaha, ary Antsirabe sy Taolagnaro no ahitana izany natao hanamaivana ny fahasahirana ateraky ny fitsaboana. […]
Auteur/autrice : Adnews
Polisy monisipaly sy mpamonjy voina : vita ny asabotsy teo ny adina an-tsoratra
Notanterahina, ny asabotsy lasa teo tetsy amin’ny lycée JJ Rabearivelo Analakely, ny adina an-tsoratra tapany faharoa amin’ny fifaninanana fahatelo fandratovana polisy monisipaly 200 sy sampana mpamonjy voina 100. Efa nisy ny tapany voalohany tamin’ny adina ara-panatanjahantena sy ny adina am-bava. Taranja efatra: fahalalana ankapobeny, Mathématique, Frantsay sy Malagasy no nanadinana […]
Covid-19: 28 ny tranga vaovao, 5 misy fahasarotana
Fito ny faritra mbola misy trangana Covid-19 amin’izao fotoana izao. 28 ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana 449 natao ho an’ny herinandron’ny 7 hatramin’ny 13 janoary lasa teo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Dimy ny tranga misy fahasarotana ary tsy nisy ny aina nafoy ho an’ny herinandro farany. 39 […]
Zone de convergence intertropicale : tsy mbola ahina hivadika rivodoza, hoy ny Meteo
Tsy mbola nivadika ho rivodoza ilay tangoron-drahona roa fa arahi-maso hatrany ny fivoarany nefa ahina hitondra ambana ho an’ny tapany avaratra sy atsinanana rahafakampitso. Ho an’ny firafitra ankapoben’ny toetry ny andro, mitoetra ao amin’ny ranomasimbe Indianina ny “Zone de convergence intertropicale” (ZCIT) izay arahina rahom-baratra saika manerana ny tapany avaratry […]
Kitra any ivelany: taitra tamin’ny tenin’i Pep Guardiola ny rehetra
Taorian’ny nandavoan’ ny ekipan’ny Manchester United, tamin’ny isa 2 no ho 1, an’ny Manchester City, tamin’ny “Premier League”, namoaka vava i Pep Guardiola, mpanazatra ny Man City, ny asabotsy lasa teo. Nilaza izy fa “efa azonay daholo ny amboara rehetra taty Angletera ka tsy olana aminay intsony na mandresy izahay […]




