Mbola baraingo hatreto ny tetiandrom-pifidianana na nivory nandinika izany aza ny eo anivon’ny Ceni. Hifandresy lahatra amin’ny governemanta izy ireo, ato ho ato. “Izay voalazan’ny lalàmpanorenana aloha no ifotorana hatramin’izao. Tsy mivaona amin’izay aloha izahay. Amin’ny 19 novambra ka hatramin’ny 19 desambra 2023 no tokony hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika, […]
Auteur/autrice : Adnews
Filoha Rajoelina Andry : “Hohamafisina ny fanampiana ny Foloalindahy”
Nomarihina, omaly, ny Andron’ny manamboninahitra eo anivon’ny tafika. Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tamin’izany, teny Iavoloha fa mariky ny firaisankina sy ny fiombonam-po ireo tanora avy amin’ny faritra manerana ny Nosy eo anivon’ny manamboninahitra. Nanteriny fa hohatevenina sy hamafisina hatrany ny ezaka efa natao. “Vonona hatrany izahay, amin’ ny maha filoha […]
Fitiavana mihatra aman’aina
Nanakoako manerana ny Nosy, omaly, ny andro ho an’ny manamboninahitra teo anivon’ny tafika sy ny zandarimariam-pirenena. Andro izay tsy fanaovam-pety fotsiny, fa andro manamarika ny fizakan-tena sy ny fahavononana hanompo hatrany an’ity Madagasikara malalantsika ity. Andro izay hametrahana fanamby goavana ihany koa ho an’ny vata-miaramila tsirairay eo am-panatanterahana ny asany. […]
Fankalazana “12 janvier”: manamboninahitra efatra naratran’ny grenady
Manamboninahitra efatra, miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Fianarantsoa no naratra, omaly. Nipoahan’ny grenady mamparenin-tsofina, nentina namoha-mandry, tamin’ny fetin’ny manamboninahitra izy ireo. Saika zava-doza no niseho tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, tamin’ny fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra, omaly. Toy ny fanao mahazatra, izay niraisan’ny toby miaramila, misy tafika na zandary […]
Ankadimbahoaka : tovolahy tratra saika hangalatra fiara
Tsy tontosa ny teti-dratsin’ilay tovolahy saika hangalatra fiara iray tetsy Ankadimbahoaka. Ny alarobia tokony ho tamin’ny 09 ora alina teo, nandray fiarakaretsaka teny By-pass haterina eny Namontana ilay jiolahy. Teny an-dalana, nilaza ho eny amin’ny Fasan’ny karana izy. Rehefa izay, nilaza ho aterina eny Anosizato indray noho izy tsy nisy […]




