“Niroso amin’ny sehatry ny fihirana aho, noho ny fahatsapako fa mora kokoa ny mampita ny hafatra amin’ny alalan’ny hira, izay toy ny sakaiza akaikin’ireo tanora tokoa ankehitriny”, hoy Frère Jean de la Croix de la Trinite, Rafanomezantsoa (Frère Jean). Ny fivoizana hatrany ny maha zava-dehibe ny fitiavana sy ny halemem-panahy […]
Auteur/autrice : Adnews
Andrianimerina Hobiana: « Tahaka ny olona tsy manana karapanondro ny boky tsy manana ISBN
Maro ny zava-mahaliana sy tokony ho fantatra momba ny rohim-boky. Iray amin’ireny ny « ISBN », izay zary ravaky ny boky fotsiny ho an’ny tsy mahalala. Araka ny fanazavan-dRazanajatovo Andrianimerina Hobiana, mpanoratra, kosa anefa, mametraka any amin’ny fenitra tokony harahina ny fisian’io soratra miendrika kisarisary io, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Dinika nifanaovana […]
Jeneraly Serge Gellé: “Tsy kolontsaintsika ny mivaro-janaka”
“Manahirana be ny mieritreritra hoe mivaro-janaka ve? Tsy kolontsaintsika Malagasy izany. Maninona ny olona no miteny an’izany? Rehefa jerena any: marina fa misy ny fahasahiranana”, hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé, omaly, momba ny renim-pianakaviana mivaro-janaka any Ikongo. Manamarina amin’ny lafiny rehetra aloha ry zareo eo […]
Fiarahabana ny ben’ny Tanàna : hanohana an’Andriantsitohaina Naina hatrany ny TMH
Fanehoana ny soatoavina sy fandalana ny kolontsaina malagasy. Tonga niarahabana sy nirary soa noho ny nahatrarana ny taona 2023 ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Andriantsitohaina Naina ny avy amin’ny Tanora miandrandra ny hoavy (TMH). Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, omaly, izany lanonana tsotra izany. Nitarika sy nisolo tena ireo mpikambana […]
Depiote Randrianasolo Nicolas : “Tsy mety intsony ny hitsikera fitondrana”
“Efa fito na valo volana dia mametra-pialana ny filohan’ny Repoblika raha mbola hirotsa-kofidina izy”, hoy ny depioten’i Betroka, Randrianasolo Jean Nicolas, momba ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Noho izany, tsy mety aminy intsony ny hitabataba na hitsikera fitondrana, fa fampahatsiahivana hatrany amin’ny zavatra tenenin’ny fitondram-panjakana no ataony. Maro ny hoe […]




