Auteur/autrice : Adnews

Rotsak’orana : mitoetra ny fampitandremana ho an’Analamanga

Mbola arahi-maso ilay andian-drahona ao amin’ny ranomasimbe Indianina, hoy ny fanazavan’ny teknisinina eny Ampandrianomby, omaly. Mitoetra ihany koa hatramin’ny anio ny fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsak’orana ho an’ny faritra Sofia, Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro sy Anala­man­ga. Hanelingelina ny asa andavanandron’ny rehetra izany satria mety hihena ny fahitana ho an’ny mpampiasa lalana, […]

CUA – Fokontany : miofana ireo mpikarakara ny kopia faobe

Nanomboka omaly ary mifarana anio ny fampiofanana ireo « agent communautaire » sy « chef secteur » miisa 520 eny anivon’ny fokontany manerana ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra. Ampiofanina izy ireo mba tsy hanano sarotra ny fanentanana sy ny fanisana ary ny fikirakirana ny antontan-taratasy ho an’ireo olona te hisitraka ny kopia faobe […]

“Volana iray, mpanoratra iray”: hampahafantarina i Simeona Tsianenenana sy ny sanganasany

Toy ny isam-bolana, mampahafantatra mpanoratra iray sy ny sanganasany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Nosafidiana hasongadina mandritra ny “Volana iray, mpanoratra iray” amin’ity janoary ity i Simeona Tsianenenana. Mpanoratra avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, monina ao Toliara. Ankoatra ny fampahafantarana azy ao amin’ny pejy facebookn’ny minisitera, hisy ny […]

Fondation H: tanjona ny hampiroborobo ny sehatry ny zavakanto

Nisokatra ny 10 janoary 2023  ary tsy hifarana raha tsy ny 26 marsa 2023, ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahafito. Fifaninanana karakarain’ny Fondation H, natokana ho an’ny mpanakanto malagasy  monina eto Madagasikara. “Tanjona ny hanasongadinana ny fifaninanana amin’ny famoronana zavakanto maneho ny ankehitriny sy  fanohanana izany“, […]