Auteur/autrice : Adnews

Fanovana governemanta: mafotaka ny ady varotra

Efa mandeha ny fivorivoriana samihafa ataon’ireo depiote sy ny eny anivon’ny etamazaoro politika. Miely ny feo fa hametra-pialana tsy ho ela ny governemanta Ntsay Christian. Anatin’ny ady varotra tanteraka ny fizaran-toerana. Tsy azo ihodivirana intsony, efa tsy ho ela! Fan­tatra tamin’ny loharanom-baovao samihafa fa nahitana fivoriana teny amin’ny “Espace” iray […]

Tselatra

Fiara voalaza fa an’ny manamboninahitra iray no nandona ka nahafaty lehilahy iray teny amin’ny lalan’ny Rocade Iarivo afakomaly alina. Noho ny fanamboarana teny an-toerana, nizotra tamin’ny lalan-tokana ireo fiara sy moto mpivezivezy araky ny nambaran’ilay tovolahy iray naman’io namoy ny ainy io. Voafaokan’ny fiara nentin’io manamboninahitra io arak’izany izy roalahy […]

Befandriana Sud : roa lahy nahatrarana vola sandoka 1 tapitrisa Ar

Mpanaparitaka vola sandoka roalahy indray no voasambotry ny zandary tao Befandriana Sud, anatin’ny distrikan’i Morombe, afakomaly. Nanatona “cash-point” iray tao an-toerana ny iray tamin’izy mirahalahy ireo. Nilaza arak’izany ity farany fa handefa vola mitetina 1 tapitrisa Ar. Tsy nisalasala ilay mpisoloky namoaka ny vola teny aminy. Teo am-panisana ny vola […]

EPP Ampasina – Ambositra : lasan’ny jiolahy ny vary 11 gonin’ny “cantine scolaire”

Hatrany an-dakilasy, no­ro­bain’ny tsy mataho-tody ny vary 11 gony sy menaka 35 tavoahangy an’ny mpanao “cantine” tao amin’ny EPP Ampasina Kaominina An­dina, distrikan’Ambositra ny 9 janoary teo. Nipetraka tao amin’ny trano fitehirizan’entana anatin’ny EPP ao an-toerana ireo entana ireo. Ny alin’ny alatsinainy teo anefa, nitondran’ireo jiolahy tohatra ny trano fitehirizana […]