Auteur/autrice : Adnews

Bekily , Ampanihy, Betroka, Amboasary Atsimo: tokantrano 8 amin’ny 10 mitofezaky ny hanoanana

Fianakaviana amin’ny tokantrano maro ao amin’ ny distrikan’i Bekily, Am­panihy, Betroka sy Am­bo­a­sary Atsimo no manana olana amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Efa tena miaina ambany fetran’ny fahantrana tanteraka izy ireo raha ny tatitra niraisan’ny sehatra samihafa manara-maso ny fanjarian-tsakafo «Sécu­rité Alimentaire Nutrition et Alerte Précoce». Raha ny antontanisa dia tokantrano 8 […]

Misafoaka ny Seces : mampiharihary ny fitsarana miangatra ny fanamelohana ny talen’ny Crou-A

Tsy nitsitsy fitenenana ny Seces sampana Antananarivo naneho ny alahelony manoloana ny fanasaziana tsy am-piheverana ny talen’ny Crou-A. Manaporofo ny fitsarana miangatra sy ny fampanjakana ny gaboraraka eny amin’ny oniversite ny zava-misy. Manaratsy endrika ny fitondrana ny tranga toy izao, hoy ny Seces. Mitroatra ny Sen­di­kan’ny Mpam­pia­natra-Mpika­roka sy Mpikaroka-Mpa­m­pianatra, Sampana […]

Slam Malagasy : mankalaza ny faha-15 taonany

Ao anatin’ny fankalazana ny faha -15 taonany ny fikambanana Madagaslam. Nanom­boka ny desambra 2022 ary tsy hifarana raha tsy amin’ny volana desambra 2023 ny fankalazana. Maro ny vina sy hetsika miavaka kasaina ho tanterahina hanamarihana iza­ny fankalazana izany amin’io taona io. Hisy ny famerenana ny fifaninanana andraisan’ny sekoly ambaratonga faharoa […]

Vina taona 2023 : hisy ny fihaonamben’ny mpampianatra valiha

Iray amin’ireo zavamaneno hita manerana an’i Mada­gasikara ny valiha. Miha maro ny efa liana aminy, indrindra fa ny Malagasy. Tsy vitsy ireo niroso amin’ny fampianarana azy ity. Vokatr’izay, samy manana ny fomba heveriny fa hoenti-mampita fahalalana ny mpampianatra tsirairay. Taha­ka izany ihany koa ny fandaharam-pianarana. Mba hampifanatona akaikikaiky kokoa ireo […]

“Mizara hafalina” : nahaliana ny olona ny hetsika

Notanterahina teny amin’iny faritra Ambohidratrimo sy ny manodidina iny, ny zoma 30 desambra 2022, ny hetsika “Mizara hafalina”. Dihy va­ko­drazana, niarahana tamin’ny tarika Bakomanga, noravahana lalao sy fanentanana no naseho nandritra ny hetsika. Tanjona ny hampahafantarana sy ny hameloma-maso ny kolontsaina malagasy, ankoatra ny fifampizarana hafalina, hoy ny mpikarakara. Anjaran’ny […]