Auteur/autrice : Adnews

Tobin-drano Amoronakona : ho vita anio ny fanarenana ny simba

Simba ny paompy mampakatra rano eny Amo­ro­na­kona, nanomboka ny zoma 2 desambra teo. Tapaka, noho izany, ny famatsian-drano teny amin’ny faritra Ambo­himahitsy, Ankotsirano, Iki­anja, Ankadindambo, Ambo­himangakely, Ambohiman­ga­kely Manambina, Am­bo­vo­kely, Ambatomaro, Antso­bo­lo, Ankandrina, Ampatsy, Soamanadrariny, Ambohibe. Nohazavain’ny tale misahana ny rano ao amin’ny Jirama, Ramarosandratana Rija, oma­ly, nandritra ny fandalovan’ny minisitry […]

Fitantanana ny vola avy any ivelany: nahatratra 64,5% ny tahan’ny fandaniana ny famatsiam-bola azo

Tsy lany araka izay voasoritry ny sora-bola ny vola azon’ny fanjakana avy any amin’ny mpamatsy vola. Mila hahitsy sy hatsaraina ny fomba fitantanana ary hamafisina ny fifanakalozana antontam-baovao ho an’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka. Natao, omaly, ny atrikasa nampahafantarana ny tomban’ezaka sy ny fitakiana voarakitry ny fa­na­dihadiana mikasika ny tah­an’ny […]

Ambatondrazaka : nanaovana adisisika ny tazomoka

Nisy fivoriana adisisika nataon’ny sampandraharaha miady amin’ny tazomoka tany Ambatondrazaka ny herinandro teo. Tanjona ny hampitombo hatrany ny fahamailoana amin’ny trangana tazomoka sy ny fiaraha-miasan’ny mpisehatra rehetra eny ifotony amin’ny ady amin’ity aretina ity. Ny mampiavaka ny faritra, izay anisan’ny antony mampiakatra ny tazomoka dia izy betsaka tanimbary, misy ny […]

Tetikasa ankizy krismasy : foana ny haban’ireo kaontenera

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanafohanana tanteraka ny haba sy hetra ho an’ireo kaontenera miisa 49 misy fanomezana natokana ho an’ireo ankizy sahirana eto Ma­dagasikara. Fiaraha-miasan’ ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy miaraka amin’ny ONG Te­tikasa ankizy Krismasy (Tak) no hahatongavan’ireo […]

CNIDH : nampahafantarina ny fifanarahana momba ny zo sivily sy politika

Nanao fampirantiana ny momba ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo sivily sy politika ho an’ny vahoaka, omaly ny Vaomiera mahaleotena momba ny zon’ olombelona (CNIDH) teny amin’ny Parvis Analakely. Naranty sy nazavaina ho an’ ny mpitsidika izany miaraka amin’ny fandraisana fitarainana momba ny tsy fanajana ny zon’olombelona, hoy ny filoha […]