Nanao fanambarana ny fiadidiana ny oniversiten’Antananarivo fa mikatona nanomboka ny 7 desambra lasa teo hatramin’ny fotoana tsy voafetra ny Ecole normale supérieure (ENS) eny Ampefiloha hitandrovana ny filaminana sosialy. Tsy nanao fampilazana mialoha ny hanao fitokonana ireo mpianatra ireo ka hoentina eny amin’ny filankevitry ny fitsipi-pifehezan’ny oniversite ny mahakasika ireo […]
Auteur/autrice : Adnews
Faritra 19-Sehatra tsy manara-drafitra : Ivontoerana valo miantoka ara-pahasalamana olona 643 796
Nampiroboroboana ny fitsanganan’ny toeram-piantohana momba ny fahasalamana misahana ny sehatrasa tsy manara-drafitra ahazoan’ny olona maro misitraka tolotra ara-pahasalamana manana kalitao tsara. «Amin’izao fotoana izao, valo ny fikambanana misahana ny fiantohana ny fahasalaman’ny mpikambana misandrahaka amin’ny faritra 19 ao anatin’ny federasiona Miara-Miahy», hoy ny filohan’ny federasiona, dokotera Randriamalala Vero. Mivelona sy […]
Andriamamonjisoa Ny Antso : “Mila finiavana be ny fianarana teny malagasy”
Mbola vao 16 taona monja Andriamamonjisoa Ny Antso dia efa nankafy ny teny malagasy tamin’ny fandalinana kabary. Anisan’ny nahazo fankasitrahana tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Fikambanan’ny Mpikabarin’ Antehiroka sy ny “Association Andraina” izy, ny taona 2019. Roa monja ny mpandray anjara tamin’ny sokajy ankizy tamin’izany. Tsy nijanona teo amin’ny am-bava fotsiny ny […]
RAP Malagasy: mpanakanto vahiny 12 no ho ao amin’ny “Festival Zaza Rap Taiza”
Tombony maro no azo noho ny fisian’ny hetsika sahala amin’itony. Fampiroboroboana ny tontolon’ny Rap malagasy ary tosika ho an’ny mpanakanto miangaly izay gadona izany. Tombony lehibe ihany koa ho an’ny Malagasy mpiondana ny Rap. Tanterahina ny 8 hatramin’ny 10 desambra 2022, eny amin’ny Lapan’ny Kolotsaina sy Fanatanjahantena Mahamasina ny “Festival […]
Tontolon’ny saripika: notokanana teny Ambatovinaky ny takelabato Ramilijaona
Ramilijaona na « Ramily », andrarezin’ny tontolon’ny saripika malagasy. Notokanana, omaly, tetsy Ambatovinaky ny takelabato misy ny anarany sy ny soniany. Ankoatra ny sonia, tazana ao anatin’ity takelaka ity ihany koa ny soratra : « Tato no niorina voalohany ny trano studio an-dRamilijaona (1887 – 1948), rain’ny fakana sary malagasy maoderina ». Voasoratra amin’ny fiteny […]




