Auteur/autrice : Adnews

Rallye Bosch CT Motors : 31 ny mpanamory hifaninana

Hanomboka anio ny “Rallye Bosch CT Motors”, dingana fahenina amin’ny fifaninanam-pirena, amin’ny familiana fiarakodia. Miisa 31 ireo mpanamory handray ny fiaingana ka anisan’ireny i Mathieu, hifampitady amin’i Faniry ary i Fred. Hahatratra 480, 59 km ny halavan’ity rallye ity, izay hisy dingana manokana “ES” miisa 12 mi­refy 168, 37 km. […]

Lalaon’ny Nosy 2023: Atleta 100 mahery hiofana any ivelany

Efa tafiditra tanteraka anatin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023 i Madagasikara. Atleta maherin’ny 100 amin’ny taranja samy hafa no hahazo fiofanana any ivelany, hoy ny minisitra Tinoka Roberto. “Homanina araka izay tratra ireo at­leta malagasy hi­atrika ny lalaon’ny Nosy, ny taona 2023”, araka ny nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny […]

Lisitry ny mpifidy: mila tehirizina ny takelaka

“Aoka tsy hohadinoina fa rehefa manao fanisana ny mpanisa mpifidy, misy takelaka (autocopiant) iray mijanona ho an’ny olom-pirenena. Mila takina izany amin’ireo mpanisa mpifidy”, ny filoha lefitra voalohany eo anivon’ ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina. Iny takelaka nisoratana anarana iny no hahazoana manao fitarainana amin’ny Ceni sy ny tomponandraikitra. Manomboka any […]

Fitsipaham-pitokisana : misara-bazana ny depiote na samy IRD aza

Tsy misy intsony ny fitovian-kevitra eo anivon’ny von­drona parlemantera? “Vao tsy ela no nandany tamin’ny isa mavesatra ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, taona 2023, ny Antenimie­ram­pi­re­ne­na. Andro vitsivitsy aty aoriana, mivadika ny rasa. Inona izany ny zava-misy tao anelanelany tao?”, hoy, ohatra, ny depiote IRD voafidy tany Mi­a­rinarivo, Rakoton­dra­soa Fetra. […]

Ravokatra Fidiniavo: «Famadihana tanindrazana ny nataon’ny depiote IRD”

Anisan’ny naneho hevitra ny minisitry ny Rano, Fa­na­di­ovana sy fidiovana (MEAH), Ra­vokatra Fidiniavo, mikasika ilay fanangonan-tsonian’ny so­lom­bavambahoaka miisa 105 hanaovana fitsipaham-pitokisana ny govnernemanta. Nam­ba­ra­ny fa fahefana feno ananan’ ny Antenimieram-pirenena to­koa izany, fa tokony ireo so­lo­m­bavambahoaka avy amin’ny fanoherana no manao azy. Hita fa nisy ta­min’ireo depiote 105 na­nao sonia […]