Fakana bahana. Nanatanteraka fihaonambe, varavarana misokatra tany Fianarantsoa, taorian’ny teto Antananarivo ny antoko HVM, ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany ny fanentanana sy fanaingana ireo mpikambana hiroso bebe kokoa hatrany. “Hianaro ny tsara efa vitantsika ary mahaiza misintona lesona amin’ny mety ho lesoka”, hoy ny filoha mpanorina, Rajaonarimampianina Hery, tamin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Sakaiza manody: nangalarin’izy roa lahy ny voamason’ny namany
Mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana ao Toliara II. Omaly, lehilahy iray no lasibatry ny asan-jiolahy. Lasan’ireo olon-dratsy ny voamasony roa tao amin’ny fokontany Behorinkazo, kaominina Antogo Vaovao, distrikan’i Morombe. Niaraka tamin’ireo namany roa lahy namonjy tsena teny amin’ny manodidina ity lehilahy 27 taona ity. Nony namonjy fodiana niampita lakana ireto […]
Mikatso ny lamasinina ?
Vaovao iray niteraka resabe tetsy sy teroa, ny tsy fandraisan’ anjaran’i Madagasikara tamin’ny lalao iraisan’ny Nosy ho an’ny tanora, izay ato any Maorisy, nanomboka ny alahady lasa teo. Zava-dehibe manamarika ny maha firenena manana ny maha izy azy anefa ny fandefasana delegasiona tany an-toerana. Mifanontany tena ny rehetra amin’ny antony […]
Tsy nanao CJSOI : olan’ny Ministera sy ny Prezidansa
Sambany tao anatin’ny andiany 12 nifanesy no tsy mandray anjara amin’ny CJSOI i Madagasikara. Voalaza fa nampikatso ny dia: ny olana noho ny fifandroritana andraikitra teo amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Fiadidiana ny Repoblika. Sady nalahelo, tsy nahitam-peo, menatra ny ankamaroan’ny mpitia fanatanjahantena, omaly. Tsy nisy nanampo fa tsy misy […]
Roa andro vao hita: lehilahy iray maty navadiky ny lakana
Nokarohina roa andro vao hita ny iray tamin’ireo mpandeha lakana nivadika tao Antanisoa, fokontany Befeno, kaominina Fenoambany, distrikan’i Vangaindrano, ny alahady teo. Olona efatra izy ireo ny tao anaty lakana ka vehivavy ny iray. Nanonja mafy anefa ny rano ka nitsimbadika tampoka ity fitaovam-pitaterana ity. Rendrika tao anaty rano ireto […]




