Auteur/autrice : Adnews

Fanampiana ara-tsosialy: olona sahirana miisa 200 nisitraka sakafo

Miisa 200 ireo olona sahirana ara-pivelomana nisitraka sakafo masaka ny faran’ny herinandro teo.  Hetsika nokarakarain’ny fikambanana ma­no­lo tanana natao tetsy amin’ ny Akany Fialofana Am­bodin’ Isotry. Akany, hipetrahan’ireo olona tsy manan-kialofana sy mirenireny eto Antananarivo izy io, tantanan’ny Ministe­ran’ny mponina. Nozaraina «Riz cantonais» sy hena baolina izy ireo nandritra izany. […]

Oniversite FJKM Ravelojaona: Andiany Ilo, mpianatra 289 nahazo diplaoma

Manetriketrika ny famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana ka nahazo dilaoma tao amin’ny Oniversite FJKM Ravelojaona (Onifra) izay notanterahina teny Ivato, ny faran’ny herinandro teo. Miisa 289 ireo mpianatra nisalotra ny andiany Ilo ka nahazo ny diplaoma Licence sy Master rehefa nianatra nandritra ny taona maro. Nitsinjara tamin’ ny lalam-piofanana samihafa […]

Akaiky fety: mahaliana ny vehivavy ny fikarakarana volo

Rehefa volon’andro fety toy izao, maro ny vehivavy mikarakara volo: manatsotra, mandoko, manao “curly”, sns. Ilaharana ny toeram-panaovam-bolo sy tarehy eto an-dRenivohitra, raha ny fanadihadiana natao. “Mila fantenina tsara ny “salon” hidirana mba tsy hanimba ny volo sy ny tarehy”, hoy ireo nanontaniana. Manomana vola manokana hikarakarany ny endrika amam-bikany […]

Niakatra ny isan’ny tranga sy ny faritra: 229 ny tranga vaovao, iray lavon’ ny Covid-19

Mila mailo ny rehetra fa mbola mitoetra eto amintsika ny valanaretina Covid-19 ary mamono mihitsy. Tokony samy hanaja ny fepetra tsy hiparitahan’ny tsimokarertina ny isam-batan’olona. Nisy mararin’ny Covdi-19 iray indray maty tao anatin’ny herinandron’ny 26 novambra ka ha­tra­min’ny 2 desambra lasa teo, araka ny fampitam-baovaon’ny minisiteran’ny Fa­ha­salamam-bahoaka, omaly. Roa ny […]

Karate: samy hitondra fanazavana i Solofo sy i Emile

Hitodi-doha hiverina eto Madagasikara ny delegasiona malagasy avy amin’i Solofo Barijaona sy i Emile, rehefa avy niatrika ny fiadiana ny tom­pondaka natao tany Durban, ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ho samy manan-kambara hanazavana ny toe-draharaha nisy tany an-toerana ny andaniny sy ny ankilany, amin’ ny fahatongavan’izy ireo ra­hampitso, izay inoana […]