Nampahafantarina omaly ny SIIGAC*, fitaovana iray eo anivon’ny CSI* hoentina hiadiana amin’ny kolikoly, izay misokatra ho an’ny rehetra. Tamin’ny tomban’ezaka nataony ny CSI nampian’ny Pnud ao anatin’ny tetikasa Madagasikara tsara tantana nametraka tambajotra ifanakalozam-baovao, dia ny SIIGAC. Tanjona ny hisian’ny mangarahara sy tamberin’andraikitra hananana fomba fijery mahitsy hiadiana amin’ny kolikoly […]
Auteur/autrice : Adnews
Jirama: ho fantatra amin’ny alatsinainy ny tale jeneraly vaovao
Nanome fanazavana momba ny toe-draharaha ao amin’ny Jirama, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Ramaroson Andry, omaly. Nambarany: “Antso tolotrasa ao anatiny no natao. Ho fantatra amin’ny alatsinainy ho avy izao izay ho tale jeneraly vaovao”. Nomarihin’ny minisitra Ramaroson Andry, tsy misy volam-panjakana niasa ny nananganan’ny orinasa Tozzi Green, […]
Padeve-Fianarantsoa: nijery ny firosoan’ny asa ny masoivoho frantsay
Nitsidika ny fandrosoan’ny asa fanatsarana ny endriky ny tanànan’i Fianarantsoa, izay mahasarika vahiny sy mpizahatany ny masoivohon’i Frantsa miasa eto amintsika, i Arnaud Guillois, omaly. Nanotrona tany koa ny talen’ny Agence française de développement, Yves Guicuero sy ny talen’ny fampandrosoana maharitra ny tanàn-dehibe ao amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy […]
Fahasalamana : 10.387 ireo mitondra ny tsimokaretina VIH mihinam-panafody
« Andao hasandratsika ny fitoviana hanafoanana ny VIH/Sida ». Io no lohahevitry ny andro maneran-tany hiadiana amin’ny VIH/Sida omaly. Toerana maromaro no nanamarihana izany. Anisan’izany ny tetsy amin’ny Parvis Analakely sy teny amin’ny Tour Orange ary ny tetsy Antaninarenina. Nanaovana hetsika maimaim-poana ara-pahasalamana, indrindra ny fitiliana ny tsimokaretina VIH sy ny aretina […]
Fanabeazana: mbola ankilabao ny manana fahasembanana
Notanterahina teny Mahamasina ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty, ny talata teo. Lohahevitra novoizina ny hoe, « Fanabeazana mampiaty : mampifandray, manaja ny fahasamihafana, mitondra fahatsarana ». Mbola miseholany eto amintsika ny fanavakavahana ireo ankizy manana fahasembanana, raha ny fitarainan’ireo fikambanana mpiahy azy ireny. Manaporofo izany indrindra ny tranga niseho […]




