Auteur/autrice : Adnews

Sakafon’ny mpianatry ny EPP: nanaovana andrana ny vary notovonantsoa

Ny sira sy ny koba natokana ho an’ny zaza ihany aloha hatreto no sakafo notovonantsoa azo jifain’ny rehetra iadiana amin’ny tsy fahampiana singa mpamelona ilain’ny vatana. Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Faha­sa­lamana sy ny Ofi­sim-pirenena ny orinasa mpamokatra sira notovonana ioda sy fluor. Tokony ho sira efa notovonantsoa no amidy eny amin’ny […]

Sarimihetsika fohy: haroso ny lanonam-pamaranana ny “Madagascourt Film Festival ”

Namoaka fanambarana, tao amin’ny pejy ofisialiny, tao amin’ny tambajotran-tserasera «facebook», ny tomponandraikitry ny hetsika “Ma­dagascourt Film Festival”, ny alakamisy 1 desambra 2022. Votoatin’ny fanambarana ny fandrosoana ny lanonam-pamaranana ny Sabotsy 3 desambra 2022, ao amin’ny “Club 73” Mahajanga, raha tokony ny Alahady no hanaovana izany. Antony manokana izay tsy miankina […]

Malagasy Manoratra: hanao ny « Ndao isika hifanolo-tanana » ho an’ny marefo

Tsy eo amin’ny sehatry ny haisoratra ihany no ahafantarana ny fikambanana Malama, fa eo ihany koa ny asa ifarimbonana ifanasoavan’ny mpiara-belona. Mikarakara hetsika “Ndao isika hifanolo-tanana” izy ireo ary manentana ireo izay manana fitafiana, akanjo, kiraro sns … Hatolotra ireo tsy manan-kialofana sy marefo ara-pivelomana, ny 18 desambra izao izany. […]

“Misy Antony”… : mpanakanto 30 no hiaraka an-tsehatra amin’i Lalatiana sy i Rija

Tsy hitovy ny seho tamin’ny 2019… Izay aloha dia efa azo hitompoana teny, raha ny nahitana ny ampahany tamin’ny famerenana nataon’i La­latiana sy i Rija Ramanan­toanina, teny amin’ny Tanàna Zoari, omaly. Fotoana izay nitafan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety ihany koa, nanomezana ny andinindininy amin’ny seho izay hotontosaina ny alahady 4 […]