Nirefodrefotra toy ny varatra nanimba ireo milin’ny orinasa Jirama, ny vaovao nanomboka afakomaly momba ny mpiasa ao amin’ity orinasa ity. Nihazakazaka izaitsizy ny fipoahan’ny raharaha manodidina ny fandrobana sy fanaovana tantely afa-drakotra azy. Inona tampoka teo aza no nahatonga izany ? hoy ny maro, indrindra ny mpanaraka ny tambajotran-tserasera. Tsy misy […]
Auteur/autrice : Adnews
Jiolahy efa-dahy nirongo basy : voaroba ny lavanila 90 kg sy vola antapitrisany
Nanaovan’ireo jiolahy rotsak’alina, nirefotra ny basy ka lasa ny vola antapitrisany tao amin’ny fokontany Ambondrona, distrikan’Antalaha, ny alin’ny 27 hifoha ny 28 novambra teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray anatin’ny fokontany Ambondrona ireo efatra mirahalahy nirongo basy, ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady teo. Notifirin’ireto mpandroba ireto avy hatrany […]
Ivato: Bar iray nahitana fonosana rongony maro
Voasambotry ny polisy, omaly tolakandro, ilay lehilahy mpivarotra rongony amina bara eny Ivato. Naharay fitarainana mahakasika izany ny polisy ka nidina ifotony teny an-toerana. Vokany, tra-tehaka tamin’io fotoana io ny rongony 16 fonosana. Noentina teny amin’ny polisy avy hatrany ilay lehilahy tao an-toerana. Nambarany nandritra izany fa vehivavy iray no […]
Haondrana an-tsokosoko : sarona ny « corail noir » 80 kilao
Taksiborosy iray nitondra akorandriaka mainty “corail noir” milanja 80 kilao no tra-tehaky ny zandary mpanao sakan-dalana tao Antsirabe, afakomaly. Tokony ho tamin’ ny 11 ora sy sasany alina teo, voasakana teo Vinaninkarena ilay fiara ka voasava avy hatrany. Nandritra izay, tra-tehaka tao anaty valizy miisa roa teny ambony fitoeran’entan’ilay fiara […]
Fanafihana teny amin’ny RN13: vaky loha ilay mpamily taksiborosy
Voatafiky ny dahalo ny olona 11 tao anatin’ny fiara mpitatitra iray nandalo teny amin’ny lalam-pirenena faha-13 hihazo an’i Taolagnaro, afakomaly vao mangiran-dratsy. Nifanehatra tamin’ireo dahalo teo akaikin’ny “Centre Univesitaire régionale Ambovombe” ity fiara mpitatitr’olona ity. Nahazo antso ny zandary ao Ambovombe ka nidina ifotony. Miisa telo ireo dahalo nirongo fitaovam-piadiana […]




