Hatramin’ny 15 oktobra teo, mitohy hatrany ny fandidiana atao amin’ireo vehivavy tratran’ny aretina mamany lava. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fnuap ny fanentanana amin’ny ady amin’io aretina io. Tao anatin’izay roa volana latsaka izay, 28 ireo vehivavy eto Antananarivo voan’io aretina io nodidiana sy noraisina an-tanana. 26 kosa tany […]
Auteur/autrice : Adnews
Sosialin’ny SENVH: nahazo fitaovana ny Lycée LJRA Andranonahoatra Itaosy
Manana ny ekipa misahana ny asa sosialy ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH). Nanolotra fitaovana ho an’ny Lycée Joseph Ravoahangy Andrianavalona eny Andranonahoana Itaosy izy ireo tamin’ity herinandro ity. Vidéo projecteur sy fafana lehibe hahafahana mandefa izany no natolotra. Vidéo projecteur sy fafana lehibe hampandehanana izany […]
Mondial 2022: mihena ny fifantohan’ny mpianatra ao an-dakilasy
Mitana ny sain’ny maro ny fanarahana ny “Mondial 2022” atao any Qatar. Na lehibe na kely, samy tsy misy manaiky fa miady fo hanaraka ireo lalao mandeha amin’ny fahitalavitra. Efa tsapan’ny mpampianatra sahady ny lesoka sy ny voka-dratsin’ny fiaretan-tory sy fifantohana loatra amin’ity lalao ity ho an’ny mpianatra. Lasa adihevitra […]
Polisy monisipaly: mpampiofana enina navoaka tamin’ny fomba ofisialy
Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ireo mpampiofana polisy monisipaly, andiany voalohany. Nisalotra ny anarana hoe “ Vanona” izy ireo. Notontosaina tetsy amin’ny amin’ny lapan’ny Tanàna Analakely ny lanonana. Miisa 6 mianadahy ireo nahavita fiofanana ary efa polisy monisipaly nandritra ny 20 taona latsaka. Talohan’izao lanonana izao, nianatra nandritra ny herintaona […]
Tetibolam-panjakana 2023: handoa hetra ny sekoly tsy miankina
Voarakitra ao anatin’ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana taona 2023 fa handoa hetra ny sekoly miahy tena. Tsy voakasik’izany kosa ny sekoly miankina amin’ny finoana, araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny sekoly tsy miakina, Rakotomalala Célin, omaly. «Samy mandray saram-pianarana avokoa ny sekoly tsy miankina sy ireo sekolim-pinoana ka mahatsapa izahay fa […]




