30% amin’ny vola hanatanterahana ny drafitrasam-pirenena iadiana amin’ny VIH/Sida ho an’ny taona 2018-2022 ihany aloha no teo am-pelatanana sy nampiasaina hanatanterahana ny paikady samihafa, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ny fandaharanasa sy ny tohana teknika ao amin’ny komitim-pirenena misahana ny ady amin’ny Sida (CNLS), Dr Rakotomalala Fara, omaly, teny Ampefiloha. Avy […]
Auteur/autrice : Adnews
Ankizivavy sy vehivavy miavotra: 100 andro hahafahana mianatra sy ho voaaro amin’ny herisetra
Mbola mitoetra ny vesatry ny kolontsaina malagasy manome vahana ny lehilahy ka tsy ahafahan’ny ankizivavy mivoatra sy misitraka ny zony hivelarany amin’ny fiainany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny filankevitra nasionalin’ny vehivavy eto Madagasikara, i Estelle Andrianasy. Niantso ny sehatra tsy miankina sy ny firaisamonim-pirenena ary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny hanao asa mandritra […]
Literatiora sy Riva: hamoaka ny boky “Vahindanitra”
Tsy afa-misaraka ny “literatiora sy Riva”. Vao miresaka hoe Riva, mby ao an-tsaina avy hatrany ny riankalo, tononkalo, sombintantara sns. Haseho ny amboaran-kalo “Vahindanitra”… Hanataneraka seho sy hetsika famoaham-boky i Riva, ny zoma 2 desambra izao, amin’ny roa ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox. Hanentana izany seho […]
Saripika: hatsangana ny «Sakaizan’ny mozea»
Tao anatin’ny 5 taona, nisokatra ho an’ny olon-drehetra ny «Musée de la photo», eny Anjohy. Nandritra io fotoana io, nahatratra 63.000 ny isan’ny mpitsidika raha 26.000 ireo sary voavadika ho nomerika. Raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra, maro ireo liana amin’ny tontolon’ ny saripika tahaka izao, kanefa tsy mahafantatra izay fomba ataony […]
Reggae : haneho ny “Fitomania” ry Isandranata
Mpanakanto iray manana ny maha izy azy indray no hiaka-tsehatra etsy amin’ny Reggae Bar Ankazomanga, anio asabotsy 26 novambra, manomboka amin’ny telo ora tolakandro. Haneho ny mozikany ny tarika Isandranata, ary nampitondraina ny lohahevitra “Fitoamania” ny seho. Efa maro ny sehatra nanehoany ny talentany ary mampiavaka azy ny fahaiza-mihira, indrindra […]




