Mondial 2022: mihena ny fifantohan’ny mpianatra ao an-dakilasy

Mitana ny sain’ny maro ny fanarahana ny “Mondial 2022” atao any Qatar. Na lehibe na kely, samy tsy misy manaiky fa miady fo hanaraka ireo lalao mandeha amin’ny fahitalavitra.
Efa tsapan’ny mpampianatra sahady ny lesoka sy ny voka-dratsin’ny fiaretan-tory sy fifantohana loatra amin’ity lalao ity ho an’ny mpianatra. Lasa adihevitra any an-tsekoly ny lalao izay nandeha. Misy ireo tsy ampy torimaso fa niaritra baolina ny alina. Ny sasany tsy mahavita entimody fa variana nijery baolina. Tsy ampy ny fifantohana ao an-dakilasy na amin’izay lesona omena. Midina ny naoty any an-tsekoly ho an’ny sasany.
Ny ankizilahy no tena somebiseby amin’ny adihevitra momba ny baolina kitra, izay hifantohan’ny sain’ny maro, ankehitriny. Ny tena zava-doza, misy ireo mahasahy mifanamby vola any an-tsekoly amin’ ireo ekipa milalao. Miteraka ady sy savorovoro izany indraindray.
Misy ny sekoly nametraka fifampifehezana mihitsy tsy hisian’ny adihevitra mi­ka­sika ny lalao baolina kitra mandritra ny fotoam-pianarana, eny fa na amin’ny fo­toan’ny fakan-drivotra aza.
Raha ny soso-kevitry ny mpampianatra ho an’ireo tanora dia ilaina ny manaraka ny vaovao mikasika ny baolina, indrindra ireo ekipa kalaza. Tsy voatery hifantohana fatratra ny baolina ka hampandeferana ny fianarana. Mila mahay mandanjalanja ny fotoana ialana voly amin’ny fijerena baolina sy ny fifantohana amin’ny fianarana. Aoka tsy hamono antoka amin’ny fianarana ny fijerena ny amboara eran-tany amin’ny lalao baolina kitra.

Tatiana A

Partager sur: