Lahiantitra 73 taona naiditra am-ponja rehefa nanolan-jaza tsy ampy taona tao Mangarivotra Tsiroanomandidy, ny zoma 14 aogositra teo. Olona maro efa lasibatr’io lehilahy io, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana. Lavon’ny balan’ny polisy ny dahalo iray tao Andohaogny, kaominina Nandihizana, ny farany herinandro teo. Enin-dahy nangalatra omby ka natao fanarahan-dia. Nandositra […]
Auteur/autrice : Adnews
Vatobe-67 Ha : Lehilahy voatsindrona antsy, namoy ny ainy
Tsy tana ny ain’ny lehilahy iray naratra mafy voatsindrona zava-maranitra teny amin’ny Vatobe-67 Ha, afakomaly. «Nentina teny anivon’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy rehefa tonga teny an-toerana», hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny tompondraikitra miasa eo anivon’ny polisim-pirenena. Nisehoana tranga hafahafa teny 67 Ha ny harivan’ny sabotsy 15 […]
Lehilahy hita faty : Voaroba ny vola 2 tapitrisa Ar
Nanjavona tao an-trano nahitana ny vatana mangatsikan’ilay lehilahy ny vola mitetina 2 tapitrisa Ar, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny sampam-pikarohana ny ady heloka be vava, afakomaly. Ahina ho nalain’ny olon-dratsy izay nahavita namono nahafaty an’i Nomenjanahary Élysio ny vola, raha ny loharanom-baovao. Tsy hita nanomboka ny 10 aogositra […]
Moto nifandona tamin’ny kamiao: Mpianaka niara-namoy ny ainy
Olona efatra matin’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena roa samy hafa, tao anatin’ny telo andro. Mpianaka nitondra moto tra-doza tao Ilempona, omaly. Nifandona tamin’ny kamiao mpitatitra simenitra, maty tsy tra-drano ireo roa lahy mpianaka nitaingina kodiarandroa teny amin’ny RN7, avaratr’Ilempona, Antanifotsy, omaly tolakandro. Niainga avy any Andramasina izy mianaka no nitaingina […]
Kanto mifameno”: Hanampy an’i Poopy sy ry Johary i Njila
Mihafeno ihany, sady “mifameno”. Fantatra fa ho avy handray anjara amin’ny seho etsy amin’ny CCI Ivato koa i Njila. Poopy sy ny tarika Johary no hiaraka hampiara-peo an-tsehatra indray. Izay no niaingan’ilay “Kanto mifameno”, hotontosaina etsy amin’ny CCI Ivato, ny alahady 16 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Vaovao […]




