Nampahafantatra ny Tranombokim-pirenena fa mikatona izy ireo ao anatin’ny roa herinandro, manomboka anio hatramin’ny 28 aogositra izao. Hatao izany mba hisian’ny fotoana hahafahana manao ny fanisana ireo tahirim-boky sy hanaovana ny lamina samihafa hirindran’ny famakiana boky.
Auteur/autrice : Adnews
Toamasina : Hamafisina ny ady amin’ny Mpox
Amin’izao fotoana maha betsaka ny mpiala sasatra izao, tena ilaina ny fanentanana sy fahamailoana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Mpox. Fanentanana eny ifotony momba ny ady amin’ny Mpox niarahana tamin’ny sefo fokontany sy ny lehiben’ny boriborintany tao Toamasina no nataon’ny ekipan’ny Cousp Atsinanana sy ny tomponandraikitry ny fahasalamana ao Toamasina, tamin’ity herinandro […]
Fanjakana tokana : Maneho ny fijeriny i Lanto Ratsida
Mitondra ny fomba fijeriny ny mpahay haifiarahamonina, Lanto Ratsida, mahakasika ny rafitra federaly voizina ankehitriny. Tsapan’ny tanora nandritra ny fakan-kevitra nataon’izy ireo fa mivangongo eto Antananarivo ny fahefana. Misy fandrika eo amin’ny famakafakana ara-jeografika anefa izany. Diso ny fijerena fa manome vahana an’Antananarivo ny rafitra tokana. Tokony ihoarana ny adihevitra […]
Fampianarana ambony: Hivoaka ny lisitr’ireo sekoly azo antoka sy ara-dalàna
Hotanterahina ny 21 ka hatramin’ny 25 septambra izao ny fivorian’ny vaomiera nasionaly misahana ny fanomezan-dalana (CNH) sy ny vaomiera nasionaly misahana ny fankatoavana (CNA), ho an’ireo sekoly ambony tsy miankina eto Madagasikara. Hivoaka ankarihary amin’ ny tranokalam-pifandraisan’ny minisiteran’ ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres) ny lisitra ofisialin’ ireo […]
Baolina – «Super coupe de l’UEFA»: Lasan’ny PSG ny amboara
Tontosa ny alarobia lasa teo, tao amin’ny kianja Salzbourg, ny fiadiana ny “Super coupe de l’UEFA”, taranja baolina kitra. Fihaonan’ny Paris ST Germain, tompondakan’i Eoropa (ligue des champions) sy ny Aston Villa, tompon’ny amboara (Europa League). Lavon’ny parizianina, tamin’ny isa 2 no ho 1 ny ekipa anglisy. Nampiditra ny baolina […]




