Auteur/autrice : Adnews

Tetikasa TRISEG : Orinasa malagasy 200 hitrandraka ny tsena iraisam-pirenena

Hahazo tohana amin’ny alalan’ny tetikasa « Commer­ce pour une croissance économique résiliente, inclusive et durable » (Triseg) ireo orinasa madinika sy salantsalany miisa 200 eto Madagasi­kara. Tanjona ny fahafahan’izy ireo manondrana vokatra sy miditra ny tsena kanadianina sy ny tsena iraisam-pirenena. Haharitra dimy taona (2025-2030) ny tetikasa izay iarahan’ny birao […]

Famokarana : Maro ny vehivavy tsy misitraka tany

Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy eny ambanivohitra omaly 15 oktobra. Andro maneran-tany ho an’ny sakafo (JMA) ny 16 oktobra ary Taona iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy tantsaha ihany koa ny taona 2026. Atao etsy amin’ny tokotanin’ny Kianja Barea Ma­hamasina ny hetsika. Maromaro ny famelabelaran-kevitra natao, miompana amin’ny lohahevitra samihafa. Nilaza ny […]

TSELATRA

Tsena mitafo bozaka maro may tao Antani­mary, kaominina Ambanivohitra Ambatomivary, disitrikan’i Betroka, omaly atoandro. Niara-nisalahy namono ny afo ny fokonolona sy ny tomponandraikitra any an-toerana. Efa manokatra ny fanadihadiana ahafantarana ny anton’ny fahamaizana ny mpitandro filaminana. Nirotsaka an-dalambe nampianatra lalàna mifehy ny fifamoivoizana ho an’ireo mpamily Taxi-Ville sy Taxi-moto ao […]

Antanandrano : Roa lahy tratra nivarotra rongony

Nosamborin’ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ankadikely Ilafy ny roa lahy mpivarotra rongony ikoizana eny amin’ny fokontany Anta­nandrano, afakomaly. Mano­loana ny laza ratsy hananan’io toerana io, amin’ny fisiana mpivarotra rongony, izay antsoin’ny tanora hoe daboka, nidina ifotony ny mpitandro filaminana izay notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritra miasa ao Ankadikely. Nofandrihana ireo mpivarotra […]