Nifarana teo amin’ny dingana ampahefa-dalana ny lalan’ny Ankoay Madagasikara, teo amin’ny fiadiana ny “Afrobasket”, lehilahy, sokajy U18. Resin’ny Lions de la Teranga-n’i Senegal, tamin’ny isa 54 no ho 40 ny Ankoay, omaly tao amin’ny kianja Polyvalente Treichville, Côte d’Ivoire. Niady ny fihaonana saingy nanantombo teo amin’ny vatana ny senegaly, nahitana […]
Auteur/autrice : Adnews
Andrarezin’ny hira malagasy: Nodimandry ny Mompera Baigny Dezy
Lavo ny andrarezina ! Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-89 taonany, ny Mompera Andriatsifa Désiré Anatole, fantatra tamin’ny solonanarana « Baigny Dezy ». Nanamarika manokana ny fiainany ny talenta sy ny fahaizany mozika. Nanao fianarana ambony tao amin’ny « Conservatoire de musique » tany Frantsa izy. Nampiasainy ho fitaovana hitoriana ny tenin’ Andriamanitra sy nanabeazana ara-panahy […]
Kaonseritra “Asandrato” : Hira 30 horedonina mandritra ny adiny telo
Hanakoako hira fiderana indray ny etsy Anosy, rahampitso sabotsy mandritra ny andron’ny “assomption”. Antoko mpihira telo no hanandratra ny feony, ao anatin’ny fankalazana taon-jobily. Hotanterahina rahampitso 15 aogositra, manomboka amin’ny 3 ora folakandro ao amin’ny efitrano Havoria Anosy, ilay kaonseritra “Asandrato”. Seho ara-pilazantsara, hanandratan’ireo antoko mpihira telo sangany sy manana […]
VAOVAO TAMBATRA
Miatrika fanamby ara-toekarena i Madagasikara amin’ity taona ity. Hiakatra ny vidim-piainana, hihena ny fitomboana ara-toekarena. Nidina ho 3,8% ny vinavinan’ny fitomboana, raha 8,3% kosa ny fidangan’ny vidim-piainana. Miakatra ny vidin-tsakafo, solika, fitaterana ary angovo, ka mihena ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Ilaina, noho izany, ny fanamafisana ny famokarana eto an-toerana sy ny […]
Fanajana ny lalàn’ny jono : Horita 9 996,8 kilao azo tao Velondriake
Efa ho 10 taonina, ny horita azo tao anatin’ny iray andro nandritra ny fanokafana ny fanjonoana horita tao amin’ny Faritra Arovana an-dranomasina (AMP) Velondriake, any Atsimo andrefan’i Madagasikara. Antony nahazoana ny vokatra ny fanajana ny fanakatonana vonjimaika ny toerana fanjonoana. Nandritra izany, afaka nitombo sy niteraka ny horita, ka nahafahana […]




