Hikorontana ny famatsiana herinaratra manomboka rahampitso ka hatramin’ny 22 oktobra, eto Antananarivo sy ny manodidina. Hisy ny asa fanamboarana sy fikojakojana fotodrafitrasa ho ataon’ ny orinasa Jirama. Tafiditra ao anatin’izany ny fanoloana taribian-jiro simba, fananganana andrin-jiro ary fandratsanana hazo. Tanjona ny hanatsara ny kalitaon’ny tolotra sy ny fitsinjarana ny herinaratra. […]
Auteur/autrice : Adnews
Orange Madagasikara : Ahodina ho vokatra vaovao ny fako plastika
Manana ny tetikasa « Miara-manamaitso ny tontolo » ao anatin’ny Fandraisana andraikitry ny orinasa (RSE) eo amin’ ny fiarahamonina ny orinasa Orange Madagasikara. Natao ny 8 hatramin’ny 10 oktobra, nitohy ny 12 sy 13 oktobra teo, ny hetsika « Tanàna madio miaraka amin’ny Orange », fanadiovana tanàna sy ny teto amin’ny boriboritany enina eto […]
Andapa-Sambava : Toby riandrano hamokatra herinaratra 8 MW
Hanomboka amin’ity taona ity ny fananganana fotodrafitrasa hamokatra herinaratra avy amin’ny riandrano any Belaoko Lokoho, faritra Sava. Hanana tanjaka 8 MW ity toby ity, hamatsy fokontany miisa 117, ao amin’ny distrika Andapa sy Sambava. Hamatsy ny tambajotran’ny Jirama ao amin’ireo distrika roa ireo ihany koa. Hisy toby herinaratra avy amin’ny […]
Tetikasa SHEP : Tohana ho an’ny famokaran’ny tantsaha maro
Tantsoroka ho an’ny tantsaha sy nanavao ny teknikam-pamboleny ny tetikasa “Smallholder Horticole Empowerment and Promotion” (Shep). Tsara ny vokatra ka nahafahany namaly ny filan’ny tsena sy nampitombo ny fidiram-bola. Tosika ho an’ny tantsaha sy hampitomboina ny vola miditra aminy ny tetikasam-pamokarana mitodika amin’ny tsena na ny Shep. Tanjona ny hitondra […]
FANTINA sy FINTINA
Nisitraka ny tambin’ny hofan-trano, 200 000 Ar avy, ireo mpiasan’ny kaominina Antsohihy, araka ny nambaran’ny ben’ny Tanàna, Vaney’s, afakomaly. Nohamafisiny koa fa voaloa ara-dalàna avokoa ny karaman’ireo mpiasa. Nampanantena ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, fa hamboarina ny tsena ao an-toerana. Anisan’ny vahiny nanatrika ny 14 oktobra, tany Antsohihy, ny filohan’ny […]





