Auteur/autrice : Adnews

Faritra Atsinanana : velaran-tany 3.572 ha voavoly hazo

Tratra ny tanjona tamin’ny fambolen-kazo taona 2022 ho an’ny faritra Atsinanana. Vela­ran-tany nirefy 3.572 ha no voavoly hazo nandritra ny taona iny. “Efa nihoaran’ny faritra Atsinanana ny fanamby ho an’ny taona 2022 izay tokony nambolena hazo ny velaran-tany 3.000 ha”, hoy ny talem-paritry ny totolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy, Tezena […]

Besakoa sy Ambohitsabo-Toliara: nanangana fikambanana ny mponina

Nanangana fikambanana ny mponina any Besakoa sy Ambohitsabo, hiarovan’izy ireo ny tombontsoany, mba hi­hainoana ny feony sady hitakiana ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara. Doroky Lovasoa Michael, Fikambanana Vezo Tea Longo (Fivetelo, fikambanana miaro ny tombontsoan’ny mpanjono) Hamidy any an-tanàn-dehibe ny hazandrano azonay, na koa hohaninay, fa hafa mihitsy raha misy […]

Mponina manamorona morontsiraka any Toliara : « Hany vahaolana amin’ny tsy fisian’asa ny fisokafan’ny Base Toliara »

Miray feo ny sefo fokontany, ny olobe, ny mpanjono, ny olon-tsotra, indrindra ireo monina manamorona ny morontsiraka, ao anatin’ny distrika Toliara I, mitaky ny hanokafana ny orinasa Base Toliara. Ambaran’izy ireo fa izay ihany no hany lala-tokana ho tombontsoan’ny faritra Atsimo Andrefana. Maro ireo sefo fokontany ao anatin’ny distrika Toliara […]

Fandraisana mpirakidraharaha : hatao isaky ny renivohi-paritra

“Manambara ampahibemaso aho fa ny tetibola izay tokony handraisana mpirakidraharaha fitsarana, tsy foana akory fa nahemotra noho ny antony fandaminana”, hoy ny minisitry ny Fi­tsarana, Rakotozafy François, momba ny fifaninanana handraisana mpirakidraharaha fitsarana amin’ity taona ity. Tamin’ny telo taona nisian’ny fifaninanana farany, natao foibem-panadinana tokana teto Antananarivo izany. Nahatsa­pana ny […]

ONG Tolotsoa: « Tsy mazoto amin’ny fanisana mpifidy ny vaomiera ifotony »

“Tsy mazoto ny mpikambana ao amin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE), raha ny resaka nifanaovana tamin-dry zareo. Raha ny tamin’ny telo volana, oktobra-novambra-desambra, ohatra: 65 000 Ar no vola azon-dry zareo. Koa tsy mampahavitrika azy ireo intsony ny hanohy ny asa, raha izay tambiny azon-dry zareo izay.” Io no […]