Auteur/autrice : Adnews

Kitra – «Orange Pro League 2022»: hanala vela amin’ny Fosa Jr ny Ajesaia

Hotanterahina anio asabotsy sy rahampitso alahady ny andro faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Orange Pro League (OPL 2022). Lalao iray tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Fosa Junior Boeny sy ny Ajesaia Bongolava, ho an’ny kaonferansy avaratra. Lalao hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny kianja Vonto­vorona izany. […]

Karate-Tompondakan’i Afrika: mifanandrina ny COM sy ny minisitera

Samy nampahafantatra ny delegasiona tarihiny avy, hiatrika ny fiadiana ny tomponda­kan’i Afrika any Durban, ny ekipan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Komity Olympika malagasy, omaly. Namaly ny ahiahin’ny mpikatroka sy ny mpankafy ny taranja karate, amin’ny fisian’ny federasiona roa eo anivon’ny fitantanana ny taranja karate, omaly 25 novambra, ny minisiteran’ny Tanora […]

Aretina mamany lava: fandidiana ihany no vahaolana

Hatramin’ny 15 oktobra teo, mitohy hatrany ny fandidiana atao amin’ireo vehivavy tratran’ny aretina mamany lava. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­ho­aka sy ny Fnuap ny fanentanana amin’ny ady amin’io aretina io. Tao anatin’izay roa volana latsaka izay, 28 ireo ve­hivavy eto Antananarivo vo­­an’io aretina io nodidiana sy noraisina an-tanana. 26 ko­sa tany […]

Sosialin’ny SENVH: nahazo fitaovana ny Lycée LJRA Andranonahoatra Itaosy

Manana ny ekipa misahana ny asa sosialy ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SEN­VH). Nanolotra fitaovana ho an’ny Lycée Joseph Ravoahangy Andrianava­lona eny Andranonahoana Itaosy izy ireo tamin’ity herinandro ity. Vidéo projecteur sy fa­fana lehibe hahafahana man­defa izany no natolotra. Vidéo projecteur sy fa­fana lehibe hampandehanana izany […]

Mondial 2022: mihena ny fifantohan’ny mpianatra ao an-dakilasy

Mitana ny sain’ny maro ny fanarahana ny “Mondial 2022” atao any Qatar. Na lehibe na kely, samy tsy misy manaiky fa miady fo hanaraka ireo lalao mandeha amin’ny fahitalavitra. Efa tsapan’ny mpampianatra sahady ny lesoka sy ny voka-dratsin’ny fiaretan-tory sy fifantohana loatra amin’ity lalao ity ho an’ny mpianatra. Lasa adihevitra […]