Karate-Tompondakan’i Afrika: mifanandrina ny COM sy ny minisitera

Samy nampahafantatra ny delegasiona tarihiny avy, hiatrika ny fiadiana ny tomponda­kan’i Afrika any Durban, ny ekipan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Komity Olympika malagasy, omaly.

Namaly ny ahiahin’ny mpikatroka sy ny mpankafy ny taranja karate, amin’ny fisian’ny federasiona roa eo anivon’ny fitantanana ny taranja karate, omaly 25 novambra, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nanoratra taratasy mankato sy manamarina ny maha ara-dalàna ny fifidianana natao ny 1 oktobra 2022, ka nahalany an-dRatefina­nahary Emile, ny minisitera, ka manao sonia izany ny Sekretera jeneraly, Ralaivao Lovatiako. Nasehon’ny Sen­sei Emile sy ny mpikambana miaraka aminy ampahibemaso izany taratasy izany, omaly, teny amin’ny ANS Ampefi­loha. Nohamafisin’izy ireo ihany koa fa mankato azy ireo ny federasiona iraisam-pirenena ary nahavoaray ny fanasana hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika hatao any Durban ny FMK tarihan’ny Sensei Emile, ny 28 novambra hatramin’ny 4 de­sambra izao. Efa ny 5 oktobra lasa teo no nanoratra taratasy miantefa amin’ny MIS, ny FMK vaovao sy ny FMK teo aloha ny WKF nanome lanja ny maro an’isa, ka izay lanin’ireo ligy no ekeny. Araka izany, hanainga ny alahady 27 novambra izao ny delegasiona miisa 13 izay tarihiny, ahitana ny filohan’ny FMK, ny mpitam-bola, mpitsara miisa telo, mpanazatra miisa roa izay hiatrika fiofanana ary atleta miisa enina. Tompondakan’i Madagasikara farany teo avokoa ireo atleta enina mianadahy ireo ary efa miatrika fampivondronana eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano amin’izao fotoana izao. No­hamafisin’ny filohan’ny Fe­derasiona malagasin’ny Ka­rate, Ratefinanahary Emile fa efa tomombana avokoa ny dian’izy ireo, na ny ara-taratasy izany, na ny hoenti-manana satria efa ela no niomana.

Manana ny delegasiony koa i Solofo Barijaona

Etsy ankilany, nampahafantatra ihany koa, omaly, ny ekipan’Andrianavomanana Solofo Barijaona, fa manana ny delegasiony, hihazo an’i Durban izy ireo, ny alahady izao, izay tohanan’ny Komity Olympika malagasy. Miisa 12 izany delegasiona izany, ka sivy amin’ireo no atleta. Nohamarininy fa mbola tsy nahavoaray taratasy manala azy eo amin’ny toeran’ny filohan’ny FMK ny tenany hatreto, na dia fantany aza fa efa nisy io taratasy avy any amin’ny minisitera io.
Ho fantatra rahampitso alahady, araka izany, izay ho lasa any Durban ary ho hita eo ihany koa izay tena ara-da­làna!

Mi.Raz

Partager sur: