Fanja Andriamanantena: Hitsahatra amin’ny seho an-tsehatra

Vaovao lehibe no nozarain’i Fanja Andriamanantena, teo amin’ny pejiny Facebook, omaly. «Tiako ny mihira an-tsehatra, fa hoatsahatro izany», hoy izy. Aorian’ilay seho iarahany amin’i Solo Andrianasolo, ny 15 marsa, sy ny «cabaret» iarahany amin’ireo mpanakanto hafa, ny 20 marsa izany, raha ny nambarany. «Tsy dia zava-baovao izany tsy fiakarana an-tsehatra izany satria hatramin’izay nanaovako mozika dia efa mahalana dia mahalana hatramin’izay, ny fahitana ahy eny an-dapihazo. Ny hikarakara ireo hira rehetra mbola tsy nivoaka no himasoako any amin’ny Studio, raha sitrapon’An­driamanitra. Misaotra anareo mpanohana hatrizay ary mbola hitia ireo hira noforoniko sy mbola hoforoniko», hoy hatrany i Fanja Andriamanantena.
Maro ireo taitra tamin’ny fanapahan-kevitr’ity mpanakanto ity. Niraisan’izay rehetra naneho hevitra tamin’ny rantiny kosa anefa ny fankasitrahana ny be efa vitany, nandritra izay 60 taona izay. Mbola mitohy hatrany koa ny mozika ho an’i Fanja Andriamanantena.

Zo ny Aina

Partager sur: