Diso lalana ve ny Malagasy? Tsy mety handroso mihitsy ve i Madagasikara? Aiza no mitoetra miteraka izany rehetra izany? Dinika nifanaovana tamin-dRanjatohery Harilala, akademisianina sady mpampianatra mpikaroka momba ireo tranga ireo.
Gazety Taratra (*) : Mpahay tantara, mpikaroka, mpampianatra, mpikabary, akademisianina, mpanoratra, sns. Manao ahoana ny fahitanao ny soatoavina malagasy sy ny fomba hoentina miaina ao anatiny?
Ranjatohery Harilala (-): Manana soatoavina mampiavaka antsika Malagasy isika. Tahaka ny fihavanana izay ventesintsika mandrakariva. Mazàna anefa no toa tsy omentsika lanja na heverintsika ho efa nilaozan’ny toetrandro izany, fa aleontsika mitomany randrana manendrika ny hafa atobaky ny fanatontoloana manodoka ny masontsika. Mahasondriana ny sofintsika, sns.
* Ahoana ny fomba hanarenana izany mba hiantoka ny fahafahantsika mandroso ilay fananana ny soatoavina malagasy?
– Ny fiorenantsika amin’ny foto-pahendrena navelan’ny razana. Fahaizantsika manivana ny sahaza sy ny tokony ho tandrify antsika amin’ny endri-pivoarana misy amin’
izao vaninandro iainantsika izao, no miantoka ny hahafahantsika mandroso amin’ny endri-pandrosoana tsy hamitaka sy tsy hamotika antsika.
* Inona ny endrik’io lazainao fa fahaiza-manivana ny sahaza sy ny tokony ho tandrify io ho an’ny Malagasy tsirairay sy ny fiarahamonina iray manontolo?
– Tsy hangetaheta ambony lakana amin’ny fisitrahana ny fivoarana atolotry ny andro ankehitriny eo anatrehantsika isika. Kanefa koa tsy hanao rapa-dango amin’izay heverina ho zava-baovao. Tokony hataontsika zava-dehibe hatrany ny miorim-paka amin’ny soatoavina ananantsika. Ny firenena mitana sy miaina ny maha izy azy no afaka manana ny toerany sy hasina eo anivon’izao tontolo izao, miara-mihazakazaka ao anatin’ny fanatontoloana.
Nitafa : HaRy Razafindrakoto




