Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina any Mahajanga, ny 13 ka hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao ny Rallye du Boeny. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny hazakazaka fiarakodia. Fifaninanana karakarain’ny klioba Go Janga. Miisa 35 ireo mpanamory hiady lohany, amin’ity andiany faha-19 ity. Hifarana anio, eny amin’ny Soa tanàna Ambohimanga […]

Baolina kitra – Trosa tsy voaloa : “120 000 dolara ny karamako tsy voaefa”, hoy ny Coach Rôro

Mbola mitohy mihenjana hatrany ny tady eo amin’ny Federasionina malagasin’ ny baolina kitra (FMF) sy ny Coach Rakotondrabe Romuald (Rôro), eo amin’ny resaka karama tsy voaloa. Nohamafisin’ity mpanazatra malagasy ity fa mbola misy 120 000 dôlara, ny ambim-bolany tsy voaefa. Na efa namaly mahakasika ny fandoavana ny karaman’ny Coach Ra­kotondrabe Romuald […]

Volana aogositra : Be fiara mivezivezy ny RN7, RN4, RN2…

Ambony ny tahan’ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara manerana ny Nosy rehefa volana aogositra. Sa­tria, fotoam-pialantsasatra sy fanaovana hetsika toy ny zaikabe, filasiana, hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena maro raha ny tombana nataon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT). Manodidina ny 340 ireo fiara mpitatitra mitondra mpa­n­­deha maherin’ny 6 460 isa miainga […]

INDRAY MIJERY

Mampahatsiahy ny didy navoakan’ny prefekto­ran’ny tanàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny amin’ny tokony hikatonan’ireo toeram-pisotroana rehetra amin’ny 9 ora alina. Voakasik’izany avokoa na ireo anaty trano na ireo eny amoron-dalana. Ho fitandroana ny fandriampahalemana sy ho fitonian’ny manodidina izany. Manatanteraka iray volana ho an’ny fandoavan-ketra ny CUA. Manentana ireo mponina […]