Miharatsy hatrany ny vokatra azon’ny ekipa nasionaly malagasy. Omaly, tany Afrika Atsimo, nandritra ny lalao miverina, dingana faharoa amin’ny ady tapakila handraisana anjara amin’ny lalao Olympika JO 2028, niondrika 3 no ho 0 teo anatrehan’ny Banyana Banyana Afrika Atsimo ry zareo. Tsy miatrika ny lalao Olympika izany ny ekipa malagasy. […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Nahemotra amin’ny 10 novambra 2026 ho avy izao indray ny fotoam-pitsarana an’ilay mpamily tra-doza tetsy amin’ny tonelina Ambohidahy, ny talata 8 septambra 2026 lasa teo. Raha toa ka tokony ho natao omaly izany. Mbola misy taratasy andrasan’ny eo anivon’ny fampanoavana ka antony nanemorana ny fotoam-pitsarana. Tsiahivina fa olona dimy no namoy […]
Maromaro ny loza niseho : Miaramila iray maty, enina naratra
Ankoatra izay, maty tsy tra-drano ny miaramila iray ary enina hafa naratra taorian’ny lozam-piarakodia tao amin’ ny lalam-pirenena faha-34 (RN34), mampitohy an’Antsirabe sy Malaimbandy, afakomaly maraina. Nivadika tampoka teny an-dalana ny fiara nitondra azy ireo. Manaraka fitsaboana ao amin’ny CHRR Namahora, Morondava, avokoa ireo naratra. Ankoatra io, namoizana ain’olona koa […]
Tambajotra mpangalatra moto : Mpitandro filaminana iray voasaringotra
Fito lahy mivondrona anaty tambajotra mivelona amin’ny halatra moto nosamborin’ny zandary miasa eo anivon’ny tobim-paritra Talatamaty, ny alahady 11 oktobra lasa teo. Niainga tamin’ny fahatraran’ny fokonolona ny jiolahy roa lahy nangalatra moto teny Talatamaty ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Tratra teo am-panosehana moto halatra ireo roa lahy, ny zoma 9 oktobra […]
Kamiao sy Sprinter nifandona : Fito namoy ny ainy, efatra naratra mafy
Nodomin’ny fiarabe mpitatitra entana ny sprinter mpitatitr’olona tany amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly atoandro. Potika tanteraka ny fiara tra-doza. Mpandeha fito tao anatiny namoy ny ainy. Efatra hafa naratra mafy. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona maro tany amin’ ny lalam-pirenena faharoa, omaly atoandro tamin’ny 1 ora sy sasany tany ho any. Nidona […]





