Hifarana anio ny atrikasa nasionaly momba ny fampielezana ny fanairana mialoha amin’ny alalan’ny finday nokarakarain’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) nanomboka ny 19 janoary lasa teo. Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetipanorona maneran-tany “Early Warnings for All (EW4All)”, izany ka andry fahatelo ny mifantoka amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Ady amin’ny Mpox : 450 000 dolara avy amin’ny amerikanina
Nanome fanampiana mitentina 450 000 dolara ny governemanta amerikanina entina hanohanana an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina Mpox. Efa nanomboka tamin’ny volana desambra 2025 ny asa mifandraika amin’izany. Maro ny asa ampiasana ity fanampiana ity. Anisan’izany ny fanamafisana ny fanadihadiana ifotony, ny fiatrehana ny valanaretina any amin’ny faritra Boeny […]
Randrianasolo Rivoarison, filohan’ny oniversite : “Hatao vaindohan-draharaha ny fametrahana ny fitoniana”
Napetraka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Randrianasolo Rivoarison, sy ireo tomponandraikitra ambony eny Ankatso. Nisy koa ny fandraisana ny fotodrafitrasa nohavaozina, toy ny Amphi ao amin’ny sampam-piofanana momba ny Siansa. Nambarany amin’ny ankapobeny ny lalantsaina hanatanterahana ny asa, araka ny andraikitra tandrify ny tsirairay, mifototra amin’ny fanatsarana ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Maro ireo firenena mikitika an’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray, efa maniry ny hifandray aminy i Mali, Bénin, Jordanie. Mbola manana faniriana ny hitondra ny Barea hatrany nefa ity frantsay teknisianina ity noho ny fahitany fa mbola azo atao tsara ny mampisondrotra ny baolina kitra […]
Rugby – « XXL Top 12 » : Hanokatra ny lalao ny fihaonan’ny Mang’art sy ny USA
Raha tsy misy ny fiovana farany, hotanterahina manomboka ny alahady voalohan’ny volana febroary ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fifaninanam-pirenena «XXL Top 12», amin’ny taranja baolina lavalava. Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny federasionina, hanokatra ny fihaonana amin’ity taona vaovao ity ny fifanandrinan’ny Mang’Art Manjakaray […]




