Rahampitso no hiakatra an-tsehatra, hifaninana amin’ ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa, taranja Jiu-jitsu Breziliana, ny solontena malagasy, Ranarivelo Xavier. Fifaninanana tanterahina any Lisbonne. Ilay teratany Espaniola, i Castro Marcos Rodriguez, avy amin’ny ekipa Stealth BJJ San Sebastian no hifanehatra voalohany aminy amin’io sabotsy io, raha ny fandaharam-potoana. Mafimafy ny miandry […]
Auteur/autrice : Adnews
Atletisma Analamanga: Lany ho filohan’ny ligy Razafimandimby Roger
Notanterahina ny alarobia lasa teo, tetsy amin’ny foibe toeran’ny federasionina malagasin’ ny atletisma Alarobia, ny fifidianana izay ho filohan’ ny ligin’Analamanga, taranja atletisma. Lany hitantana izany, mandritra ny efa-taona manaraka, Razafimandimby Roger. Miisa roa ireo kandidà nifaninana tamin’izany, Andriamahery Fanomezantsoa sy Razafimandimby Roger. Seksionina dimy no nandatsa-bato, Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, […]
Solomiral-50 taona an-tsehatra : Hanasa ireo namany anaty seho lehibe
“Vakojazzana”. Io ilay nampisaloran’ny Solomiral ny mozika lalaoviny. Ny taona 1975, 50 taona lasa izay no nanombohan’ny tantara ka tsy havelan-dry Hajazz mirahalahy avy handalo fotsiny izany, fa homarihina amina seho lehibe iray. Hotontosaina ny 18 janoary izao ny fanokafana izany jobily volamenan’ny tarika Solomiral izany. Hatao ao amin’ny Havoria […]
Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina: Hatsaraina ny lenta sy ny tontolon’ny kabary
Na eo aza ny fivelaran’ny kabary, misy ihany ny lesoka eo amin’ny tontolon’ity zavakanto sady kolontsaina ity. Vonona ny hanampy amin’ny fanarenana izany ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, raha ny nambaran’ny minisitra, omaly. Notanterahina teto an-dRenivohitr’i Madagasikara, omaly, ny lanonana hoenti-manamarika ny Androm-pirenena ho an’ny kabary. Lohahevitra tamin’ izany […]
VAOVAO TAMBATRA
Miverina andoavana haba ny fanafarana takelaka mandeha amin’ny masoandro na « panneaux solaires ». Toraka izany koa ny fitaovana ahazoana ranomafana (chauffe eau). Antony, tsy niantraika tamin’ny mpanjifa ny fepetra nanafoanana ireo haba ireo. Nihatra nanomboka ny janoary 2026 teo io Sata vaovao mifehy ny Ladoany io. Tanjona ny fitoviana ara-ketra, ny […]




