Auteur/autrice : Adnews

Rugby – Trophy Barthès: Tsy tonga ny Makis sy i Côte d’Ivoire

Hanomboka anio, any Kampala Ouganda, ny fiadiana ny Trophy Barthès, taranja rugby, sokajy “junior”. Tsy anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Makis Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, izay ao anatin’ny “First division” (D1). Raha ho an’ny Malagasy, ny tsy fisian’ny saran-dalana, ny antony tsy nahafahana nandeha. Araka ny fanadihadiana natao, […]

Baolina kitra – Fifaninanana afrikanina : Fc Rouge vs Arrows FC Zambie, CFFA vs Lijabatho FC Lesotho

Fantatra avokoa ireo ekipa hifanandrina amin’ireo solontena malagasy eo amin’ny fifaninanana afrikanina, taranja baolina kitra. Ny Arrows FC Zambie ny an’ny FC Rouge ary ny Lijabatho FC Lesotho, hifanandrina amin’ny CFFA. Tontosa omaly, tany Le Caire Egypte, ny antsapaka nahalalana izay ekipa hifanandrina eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka sy […]

INDRAY MIJERY

Nidina ifotony teny amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery ny tomponandraikitry ny boriborintany Tana III sy ireo mpiara-miasa aminy. Nijery akaiky ny olana momba ny fahatapahan-jiro miverimberina eny an-toerana izy ireo. Hita fa tsy mahazaka intsony ny isan’ireo tokantrano mampiasa herinaratra ny transformateur eo amin’ilay andrin-jiro. Nandritra ny varavarana misokatra natao tao […]

METFP : Mila ainga vao ny fampianarana teknika

Hotanterahina any Maha­janga, ny 11 aogositra, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonambe ho fanavaozana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Sehatra iray hifanakalozan’ny mpampianatra sy orinasa ary mpandraharaha indrindra ny mpianatra izany. Tanjona ny iarahana manorina ny ho avy mivoatra kokoa amin’ny sehatry ny ara-teknika sy fanofanana arakasa […]

Tsenan’Anosibe: Nalamina ny herinaratra ho fisorohana ny loza

Araka ny voalazan’ny fifanarahana eo amin’ny mpivarotra ao Anosibe sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra, “ampoule” iray sy “prise” iray ihany no tokony hampiasaina isaky ny “box” ao an-toerana. Tsikaritra nandritra ny fidinana tao an-tsena anefa fa mihoatra noho izay ny fitaovana mandeha amin’ny herinaratra ampiasain’ny ankamaroan’ireo mpivarotra. Heverina hampitombo ny […]