Auteur/autrice : Adnews

Ambovombe : Havadika ho rano fisotro ny ranomasina

Sambany ! Voalohany ho ampiasaina eto Madagasikara ny haitao hamadihana ho rano fisotro ny ranomasina. Hanatanteraka izany teknolojia izany any Ambovombe ny orinasa Aureate Resources. Natao sonia teny amin’ny Lapan’ Ambohitsirohitra, omaly, ny fifanarahan’ity orinasa ity, nosoloin’i Xiao Cheng tena, sy ny minisitry ny Rano, Razafindria­niaina Elia. Hamokatra rano fisotro madio […]

Foara “Ekonomika Manandratra” : Fanoitra amin’ny fampandrosoana ny vokatra

Lakilen’ny fampandrosoana ny toekarena ny fitadivana lalam-barotra sy fanondranana vokatra any ivelany. Antony mahatonga ny fanjakana manome tantsoroka ny mpandraharaha amin’ny fitadiavana lalam-barotra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Nivoitra izany, nandritra ny fanokafana ny Foara “Ekonomika Manandra­tra”, andiany voalohany, omaly ao Ambatondrazaka. Ambohi-pihaonan’ireo mpisehatra ma­ro­lafy, ny hetsika ka hanamafy ny fifandraisan’izy […]

FANTINA sy FINTINA

Ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, ny solontenan’ny Avi, Ratsirahonana Norbert Lala sy ny depiote, R. Zavamanitra. Samy noraisin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël teny Ambohitso­rohitra, omaly sy afakomaly. Tafiditra amin’ilay dinika politika, efa nambaran’ny filoham-panjakana izany. Anisan’ny efa nihaona tamin’ny FFKM ny avy amin’ny Fikambanan’ireo firenena aty Afrika sy Karaiba […]

PDS vaovao an’Antsirabe : Laharam-pahamehana ny fandoavana ny karama

Taorian’ny nanendrena an’ Andriatomponera Fidy ho PDS ny fiadidina ny tanàn’ Antsi­rabe, vita omaly, ny fifamindram-pitantanana teo ami­ny sy ny ben’ny Tanàna mpisolo toerana, Rakotondrabe Andrianomanana. Nanatrika izany ny Prefen’Antsirabe mi­adidy ny Faritra Vakinanka­ratra. Teo koa ireo manam-pahefana sivily sy miaramila isan-tsokanjiny ao amin’ny tanànan’Antsirabe ary ireo mpiara-miasa eo anivon’ny […]

Tetikasa GPS, ranomasimbe Indianina : Hosorohina ny korontana amin’ny fifidianana

Notanterahina tany Moroni, Kaomoro tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra, hatramin’ny omaly ny atrikasa momba fifidianana aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany ny eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Mametraka ho ambony ny fitantanana sy ny filaminana ary fitoniana ny fifampizarana tamin’izao fihaonana izao. Natao koa ialana amin’ny disadisam-pifidianana matetika miseho. Anisan’ny nisolo […]