Roa volana ihany no hitsarana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao anatin’ny governemanta vaovao. Andraikitra maro sy azo lazaina ho mazana ny miandry azy amin’izany. “Arahabaina eh! Nahazo minisitra”. Voatendry hitantana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré. Izy indray izany no hisolo ny toeran’i […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanjakana Anglisy : Hanohana ny ady amin’ny kolikoly
Nandray ny masoivohon’i Royaume-Uni, Patrick Lynch, avy hatrany ny minisitra vaovao misahana ny Fitsarana, i Fanirisoa Ernaivo, taorian’ny nanendrena azy amin’izany toerana izany. Niaraha-nidinika tamin’zany ny fandaharanasa mikendry ny hananganana rafitra mahomby amin’ny ady amin’ny kolikoly. « Vonona izahay ary hanampy sy hanolo-tena hanohana ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana amin’ity ady sarotra […]
Filankevitry ny governemanta : Mitaky vokatra hita maso ny Praiminisitra
Niatrika avy hatrany ny filankevitry ny governemanta ireo mpikambana vaovao, notarihin’ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, omaly. Hentitra ny tenany tamin’izany. «Ilaina ny fitondrana vokatra hita maso sy azo tsapain-tanana amin’ny ezaka rehetra hatao mba hahamafy orina ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra », hoy izy. Eo koa ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Miandrandra fanovana sy fanarenana haingana ny toekarena sy fampandrosoana ny firenena ny Malagasy rehetra taorian’ny fanendrena ireo mpikambana vaovaon’ny governemanta. Maro ny asa miandry ny tsirairay ary manantena rivo-baovao eo amin’ny sehatry ny toekarena ny isan-tokantrano. Miandry vokatra haingana sy mahomby avy ami’ny minisitry ny Toekarena ny Malagasy indrindra mahakasika […]
Letisia : Ho tsara ny vokatra amin’ity taona ity
Hanomboka ny 15 ka hatramin’ny 20 novambra ny taom-piotazana letisia eto amintsika. Ho tsara ny vokatra amin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, raha ny nambaran’ireo mpandraharaha. « Nisy ny ezaka nataon’ireo mpisehatra taorian’ny zava-nisy tamin’ny taon-dasa hanatsarana ny vokatra. Ity farany izay mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy […]




