Auteur/autrice : Adnews

Andro iraisam-pirenena ho an’ny «Réserve de biosphère»: Hametrahana paikady ho an’ny 10 taona manaraka

26 ny Réserves de biosphère vaovao, araka ny famaritan’ny Unesco, amin’ny firenena 21. Mahatratra 784 anatin’ny firenena 142 ny isany amin’izao fotoana izao ka voaaro vokatr’izany ny velarana mirefy 1 tapitrisa km2. Ho an’ity taona ity, firenena vaovao enina no nahazo izany voalohany ao aminy. Faritra iray mampirindra ny fiarovana […]

TARATRY ny KANTO

Tafiditra hifaninanana anatin’ny « African Entertainment Awards » any Etazonia i Basta Lion. Ao amin’ny sokajy « Best reggae / dancehall artist » no misy azy, milahatra amin’ireo mpanakanto afrikanina malaza maneran-tany toa an-dry Ruger, Shenseea, Masicka, Spice, Popcaan, sns. Ny 20 desambra izao no hanaovana ny lanonana fampahafantarana izay […]

Fitantanana sy fanovana : Mila hajaina ny fahasamihafana

Raha misy mahasarotiny ny Malagasy voalohany, ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ary ny soatoavina. Amin’ny maha Nosy be velarana an’i Madagasikara, tsy voatery hitovy izy ireo. Io tranga io no mila hampanjakana sy hanomezana lanja ny fifanajana ao anatin’ny fahasamihafana. Lamina voajanahary sady hay no niainan’ny Malagasy, saingy, nopotehin’ny […]

Maro ny manam-pahaizana : Ny manam-panahy handalana no ilaina

Mizotra any amin’ny lalan’ny fanovana i Madagasikara, raha ny kajy politika. Matetika, hadino ny fanahy maha olona raha ny fahalalan’ny Malagasy. Ilaina ny manam-pahaizana sy be diplaoma. Ilaina ny fanovan-drafitra mba ho marin-toerana. Nanomboka tany amin’ny niverenan’ny fahaleovantenan’ity Nosy ity ka hatramin’izao, toa samy nanindraindra izany avokoa… Saingy, mby aiza […]

Minisitry ny kolontsaina sy ny serasera : Andraikitra goavana no miandry an’i Gascar Fenosoa

Sokajiana ho minisitera « kely », kanefa mitana andraikitra goavana amin’ny rahaharam-pirenena ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. Fanamby maro no miandry ny minisitra vaovao. Mandrindrarivony Ogas­car Fenosoa. Izy no voatendry hisahana ny andraikitry ny minisitry ny Ko­lontsaina sy ny serasera, nandimby an’i Mara Volamiranty Donna. Solombavambahoa­kan’i Madagasikara voafidy tao […]