Auteur/autrice : Adnews

Hamahana ny delestazy: Vahaolana ny toby mandeha amin’ny herin’ny masoandro

Ezahina tsikelikely ny ialana amin’ny famokarana herinaratra mandeha amin’ny solika. Vahaolana ny angovo azo havaozina, toy ny avy amin’ny herin’ny masoandro sy ny rano. Anisan’ny hamahana ny fahatapahan’ny jiro lava­reny ny famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro. Ho an’Antanana­rivo, misy ny toby eny Am­pan­gabe, mamokatra 11,5 MW, ka efa vita ny […]

INDRAY MIJERY

Tanterahina amin’ity herinandro ity, mane­rana ireo Dren 23, ny atrikasa fampahafantarana sy fifanakalozana momba ny tetikasa manohana ny fizakan-tenan’ny ankizivavy sy ny vehivavy “Eager”. Tan­jona ny hanatsarana ny fari-pahaizana sy ny fidiram-bolan’izy ireo. Mbola hisy ny fitsirihana sy fisafidianana ireo zatovovavy hisitraka ny tohana fampianarana sy ireo vehivavy 18 hatramin’ny […]

Mpiasan’ny fahasalamana vonon-kiasa: Tsy tokony henjehina ireo tsy mitovy hevitra

Niombom-peo, omaly, tetsy amin’ny HJRA, ireo mpiasan’ ny fahasalamana am-perinasa tsy manaiky voarebirebin’ny resaka politika fa manao ho zava-dehibe ny asa fitsabo­ana. Nahitana dokotera, mpam­pivelona, infirmiera, dokotera farmasianina, mpandraha­raha, mpitantana, dentiste ary teknisianina ara-pahasala­mana ireo nanao fanambarana. “Zo fototra ny mitaky sy maneho hevitra, saingy atao am-panajana izany”, hoy ny […]

Seces sampana Antananarivo: Hanatanteraka fivoriambe, anio

Hanatanteraka fivoriambe ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra (Seces) eto Antananarivo, anio, eo amin’ny Esplanade Ankatso. Hiakanjo mainty sy fotsy na ny toge izy ireo amin’izany. Marihina fa mijoro manohana ny hetsiky ny tanora maniry ny hitondra fanovana ny Seces. Efa nilaza fa manana ny drafi-pitantanana sy paikadim-pirenena […]

Sendikàn’ny mpiasan’ny fahasalamana : Nampikatso ny asam-pitsaboana nanomboka ny alarobia teo

Manamafy ny fitakiana ataony ny sendikà misehatra amin’ny fahasalamana eto Antananarivo sy any Toamasina. Nanomboka ny alarobia lasa teo ny fampiatoana ny asam-pitsaboana rehetra, hoy ny fanambarana. Natomboka ny alatsinainy lasa teo, nandritra ny fampiakaran-tsaina teny amin’ny Hopitaly kely, Tanambao I, izay misy ny bi­raon’ny talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsina­nana ny […]