Nanao fanambarana indray ny eo anivon’ny KMF/Cnoe manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Nametraka fitakiana izy ireo tamin’izany. Nambaran’ity fiarahamonim-pirenena ity fa heno matetika eny an-kianja sy hiakan’ireo mpitolona ny rafitra. «Mila hatsaraina mihitsy ny rafitra rehetra ary efa nodradradrain’ny KMF/Cnoe-Fanabeazana olom-pirenena hatrizay», hoy izy ireo, omaly. Nanterin’ny fanambarana fa […]
Auteur/autrice : Adnews
Teti-panorona
Maty paika ny zava-drehetra, fa ny vahoaka no mora lalaovina? Asa mety ho marina sa ho diso izay fanontaniana mahakasika ny fivoaran’ny raharaha politika, ankehitriny, izay? Raha ny zava-nitranga, omaly, aloha dia misy trangan-javatra maromaro ilana fanadihadiana lalina. Toa misy sokajin-kery maromaro izany any anatin’ny mpidina an-dalambe sy ny […]
Minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina : « Miankina amin’ny tsirairay ny fandrosoana »
Nampita hafatra sy naneho fisaorana, taorian’ny nampitsaharana ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny minisitra teo aloha nisahana ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Mazava ny fanehoan-keviny tamin’izany. «Miankina amin’ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay hatrany ny fandrosoan’ny firenentsika», hoy izy. Nialoha izany, nitondra fampahatsiahivana vitsivitsy ny tenany ka nambarany […]
TSELATRA
Zandary roa namoy ny ainy, omaly, rehefa tonga teny amin’ny Hopitaly militaire etsy Soavinandriana. Avy niasa teny amin’ny parvis Analakely ireo zandary telo lahy, afakomaly alina, ary narary tampoka. Sempotra ary nitarika tamin’ny tsy fahatsiarovan-tena ny fitrangan’ny aretina. Mbola manaraka fitsaboana kosa ny iray hafa. Tombanana ho fahapoizinana ara-tsakafo ny […]
Zaridaina Ambohijatovo : Nirehitra taorian’ny hetsika
Nahitana firehetana tao amin’ny faritry ny zaridaina an’Ambohijatovo, taorian’ny sakoroka niseho teny an-toerana, omaly hariva. Tsy nisy nahatsikaritra ny fiandohan’ny afo ireo manodidina, hatramin’ny mpanao gazety nanara-maso ny zava-nisy teny an-toerana. Ahina ho vokatry ny fidiran’ireo mpanao fihetsiketsehana tao anatin’ny faritry ny zaridaina ny firehetana. Nanao mora rahateo ny fihanaky […]




