Migadra roa taona an-tranomaizina ny ben’ny Tananan’Ambohibao teo aloha, Lalaina Valisoa. Nalefa eny Antanimora i Rafanomezantsoa Jean Nirina (Hafari). Eny Imerintsiatosika kosa Raholdina Naivo. Olana momba ny tany avokoa no iampangana azy ireo. Namoaka ny didy ny mpitsara avy eo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly na Pac ka nanasazy roa […]
Auteur/autrice : Adnews
Fampiakarana lenta-Tantara an’onjampeo: Hanatanteraka atrikasa ny V.M.T
Tafiditra ao anatin’ny sehatrasa sy vina tanterahin’ny Vondron’ny mpiangaly Tantara (V.M.T) ny hampiakatra hatrany ny lentan’ny tontolon’ny tantara fandefa amin’ny Radio na ny tantara an’onjampeo. Ho fiatrehana izany, hisy ny atrikasa fanoratana tantara fihaino hotanterahina ny alarobia 27 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Lycée JJ Rabearivelo […]
Malagasy mpianatra any France : Mangataka ivontoerana ara-kolontsaina
Hanabevoho ny teny sy ny kolontsaina malagasy, na lavitra ny tanindrazana aza. Izay no anisan’ny tanjon’ireo mpianatra teratany malagasy any France, izay nampitain’izy ireo nandritra ny fihaonany tamin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mandrindrarivony Ogascar, omaly. Tao amin’ny Foyer universitaire malagasy na Fum ao Paris no natao ny fihaonana, […]
tazomoka – Antananarivo Avaradrano : Niakatra be ny trangan’aretina
Nahafaty olona ny aretina tazomoka tao amin’ny distrika Antananarivo Avaradrano. Niakatra be ny olona marary ka mila fanaraha-maso akaiky ny fifehezana ny aretina. Nidina teny an-toerana ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpandrindra nasionaly ny ady amin’ny tazomoka, ny alahady 17 mey 2026 teo nanamarina ny zava-misy eo anivon’ny hopitaly Anosy […]
Finoana silamo : 74 hamonjy Hajj any La Mècque
Toy ny fanao isan-taona, manao fivahinianana masina na ny Hajj any La Mècque ny mpino silamo maneran-tany. Ho an’ny eto Madagasikara, samy manao izay tratry ny heriny ny antokom-pinoana na fikambanana isanisany. Anisan’ireny ny eo anivon’ny Amana group. Nandefa olona 74 mianadahy izy ireo. Maharitra dimy andro izany. Natao ho […]




