Auteur/autrice : Adnews

Fiainana andavanandro : Vitsy ny manjifa saribao amin’ny gony

Anisan’ireo singa iray tsy mbola afa-miala amin’ny Ma­la­gasy ny saribao. Mbola io angovo io avokoa no enti-ma­handro ny sakafo. Nahitana fiakarana ny vidin’izany tamin’ity taona ity. Mihasarotra ny fiainana! Efa tsy dia misy intsony ny olona mahavita manjifa saribao amin’ny gony, ankehitriny, araka ny fanadihadiana natao omaly, teny amin’ireo mpivarotra […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy hatrany ny fianarana teatra, ao amin’ny AFT Andavamamba. Misokatra ho an’ireo ankizy 7 hatramin’ny 14 taona ny fiofanana manokana anatin’ny fialantsasatra. Tsy natao ho fialamboly fotsiny anefa, fa hamohazana ny talenta any anatin’ireo ankizy izany. Tsy vitan’izay fa hanampy azy hahatoky tena, hahay mifanerasera amin’ny namana, hanana saina tia […]

« Vako-Rock » : Andrasan’ny mpankafy ry Erick Tselatra

Nafana, saingy tsy feno ny fiarahana farany. Tsy afaka niaraka tamin’ireo namany ao amin’ny tarika Tselatra mantsy i Erick, nandritra ilay seho « Rock Mandrakizay », natao tao amin’ny Kianja Barea tamin’ny volana marsa. Nam­panantena kosa anefa i Erick, fa vantany vao mety ny fahasalamany, hihaona amin’ireo mpankafy ao Antsahamanitra izy. Tonga […]

Mitety vanim-potoana: Fiarahan’ i Inah, Nini Kiaka ary Mbola Talenta

Mozika maroloko. Tsy hita hofaritana mialoha izay hitranga, raha ny mahakasika ny fiarahana an-tsehatra hotontosain’i Inah, Nini Kiaka ary i Mbola Talenta. Hatao anio amin’ny 8 ora alina io, eny amin’ny Résidence Sakay Rouge, Ambohimamory Avarabohitra. Ny azo antoka aloha dia hifototra amin’ny tendry gitara, izay hosahanin’i Mbola Talenta manokana izany. […]

Fifaninanana « Tafan-gilita » : Hiray sehatra amin’ny kalaza ireo 10 tafakatra

Roa andro ho an’ny gitara fotsiny. Anisan’ny lokan’ireo mpifaninana ny hampiaraka talenta amin’ireo andrarezin’ny tendry gilita eto Madagasikara. Ankoatra ny gitara lafovidy miandry ireo voalohany izany. Willy, Hira, Jizry, Ra­mily, Ny aro, Mika, Joël, Dina, Fabio ary Mikajy. Ireo izy 10 lahy tafavoaka tamin’ny “Prime 4”, an’ilay fifaninanana “Tafan-gilita”. Izy […]