Miisa 30 ireo olona maty vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto amin’ny Nosy. Miisa 20 ireo tsy hita popoka nandritra izany, raha ny tatitra voaray tamin’ny BNGRC (birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza), omaly. 88 949 ireo traboina manerana ny Nosy. Anisan’izany ny faritra Analamanga, Boeny, Sofia ary Analanjirofo. […]
Auteur/autrice : Adnews
Fahatapahan’ny fampianarana : maro ireo sekoly manarina ny fotoana very
Vokatry ny andro ratsy nisesy nandritra ny roa herinandro teo, izay niteraka fahatapahan’ny fianarana teto an-dRenivohitra, maromaro ireo sekoly nanapa-kevitra ny hanenjika ny fahabangana ka hamerina an-tsekoly ny mpianatra ny alarobia hariva sy ny asabotsy amin’ity herinandro ity. Omaly, nampahafantatra ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ireo sekoly ireo ny […]
Fandaharam-pianarana vaovao: nanaovana andrana teny amin’ny sekoly 192
Nanomboka tamin’ny taom-pianarana 2021-2022, nampiditra fandaharam-pianarana vaovao ho an’ny kilasy T1, T2, T4, T5, T7, ary T8 ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tafiditra anatin’ny tetikasa fanohanana ny fampianarana ambaratonga fototra (PAEB),izany. Nampiharina tamin’ny sekolim-panjakana sy sekoly miahy tena 192 ny fandaharam-pianarana ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto amintsika. Tsy nisy mihitsy ny […]
Lycée Fenoarivo Atsinanana: mpianatra telo vavy safotra tany an-dakilasy
Mahalasa saina hatrany ny trangana fahatoranana mpianatra an-tsekoly, mateti-piseho saika amin’ny toeram-pianarana maro eto amin’ny Nosy. Ny herinandro lasa teo, mpianatra tao amin’ny Lycée Fenoarivo Atsinanana no safotra na koa nitrangana fahatoranana sy mihinjitrindritra nandritra ny fotoam-pianarana tao an-dakilasy. Tamin’ny 8 ora sy 50 minitra maraina no nihetsehan’ny aretina ho […]
Eran-tany
Hita aty Afrika amina firenena maro ny fiakaran’ny vidim-piainana, indrindra ny sakafo sy ny solika. Tafahoatra amin’ny nikajiana azy izany, tsy araka ny navoakan’ny Banky foibe maro aty Afrika. Voadonan’io fiakaran’ny vidim-piainana io ny mponina maro, indrindra amin’ny sakafo izay andaniana mihoatra ny 50 % amin’ny vola azo. Tsy tafavoaka […]





