Sekoly misehatra amin’ny fampianarana ny taranja volley-ball ho an’ny ankizy, ny « D’Or VolleyBall ». Avy amin’ny anaran’ilay mpilalao Michel Doraline, antsoina hoe Boudah, no namoronana ny anaran’ity sekoly ity. Roa taona teo izay no niorenany ary manana vina maro izy ireo ho fampivoarana ity taranja ity, ho an’ireo mpianatra ao aminy. […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Tapitra teo amin’ny fifanintsanana ny lalan’ny Ankoay, sokajy vehivavy, nandritra ny fifaninanana « Women’s Series Fiba 3×3 » natao tany Sumgait, ny faran’ny herinandro teo. Eo amin’ny laharana faha-15 no misy an’i Madagasikara, taorian’ny faharesena indroa nisesy nihatra tamin’izy ireo nanoloana ny Grande Bretagne sy ny ekipan’ny Takasaki. Nisolo tena an’i Madagasikara, […]
Lalao CJSOI : 8 mianadahy ny eo amin’ny atletisma
Navoakan’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA), ny faran’ny herinandro lasa teo, fa 8 mianadahy no isan’ireo atleta handeha hiatrika ny lalaon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (CJSOI 2025). Fihaonana tanterahina atsy amin’ny Nosy Seychelles, ny 2 ka hatramin’ny 10 aogositra ho avy izao. Ramanantenasoa Solange, Nomenjanahary Harenasoa, Rakotondramaro Anjaratiana, Botouzara Fitahiana no eo […]
Elgeco Plus : Hanao lalao tsapa amin’ny ekipa voafantin’i Fianarantsoa
Miezaka ny manao fanomanantena ao anatin’ny fahanginana tanteraka ny Elgeco Plus. Raha tsy misy ny fiovana farany, mety hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipa voafantin’i Fianarantsoa, ny Elgeco Plus, izay nanao pao-droa tamin’ity taona ity. Araka ny siosion-dresaka mandeha sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Elgeco Plus FC, omaly, mety […]
Raharaha fiaramanidina dimy : Teratany malagasy iray sy indiana iray karohina
Nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valerie, mahakasika ilay raharaha fiaramanidina miisa 5. Nambarany fa hosoka ny antontan-taratasy miparitaka momba ireo fiaramanidina mitondra laharana « 5R » avy eto Madagasikara tonga any Iran ireo. Niainga avy any Cambodge ny hosoka ary tonga […]




