Efatra andro eo sisa, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika tsy misy mpilalao milaravinahitra,” Chan 2024 ». Hotontosaina any Kenya, Tanzanie ary Ouganda, ny 2-30 Aogositra ho avy izao, izany. Efa lasa omaly, namonjy an’i Tanzanie, ny Barea A’. Nanainga omaly, tetsy Ivato, hamonjy an’i Tanzanie, ny Barea de Madagascar […]
Auteur/autrice : Adnews
“Tournoi Solidaire”: Fanatanjahantena miharo asa sosialy
Hotanterahina eny Ambatolampy Tsimahafotsy, ny 9-10 aogositra ho avy izao, ny fifaninanana baolina kitra andiany voalohany amin’ny “Tournoi Solidaire”. Hetsika ara-panatanjahantena iray miavaka izy ity, araka ny nambaran’Andriasiharilala Finoantsoa Nomena Fitahiana, filoha mpikarakara ny fifaninanana. Ankoatra ny fanatanjahantena, hisy koa ny asa sosialy izay hatao. Misongadina amin’izany ny fanohanana ireo […]
Amboditandrohoroho : Trano 241 tafo indray narodana
Trano 241 tafo no indray narodana tao amin’ny fokontany Tapakala, kaominina ambanivohitr’ Amboditandrohoroho, distrikan’ i Toamasina II, omaly. Vokany, maro ireo tsy manan-kialofana. Ankoatra izay, tokony tsy noradana ny moske, trano fivavahana ho an’ny mpino Silamo, fa narodana daholo. Nambaran’ ny fanadihadiana fa nahazoana fahazahoan-dalana teo anivon’ny kaominina ny fananganana […]
Taekwondo ITF : 45 mianadahy niatrika fanadinana
Nanatanteraka fanadinana hahafahana mampiakatra grady ireo mpikatroka eo anivon’ny kaomisonina malagasin’ny Taekwondo ITF, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Dojang Tafita Sports-Arts Academy Ambaranjana. Niatrika izany ny mpikatroka 45 mianadahy, manomboka amin’ny tepana mavo hatramin’ny tepana mena hiakatra mainty. Mpikatroka avy eto Analamanga, amin’ny tapany afovoany, moa ireto niatrika fanadinana […]
« Rallye des Industries » : Fahombiazana tanteraka ny hetsika
Tontosa soa aman-tsara tao amin’ny Novotel Alarobia ny andiany voalohany amin’ny « Rallye des Industries », izay natao ny sabotsy teo. Hitohy any amin’ny faritra ny hetsika. Nandrombaka ny fandresena tamin’ny famaranana lehibe ny ekipa « ABS School – ArBiochem ». Etsy andaniny, ny « Inscae – Star » kosa no nahazo ny isa […]




